PUBLICATIONS RECENTES

Posted in Autres Evenements

PROROGATION DE L’APPEL A CANDIDATURE.

👉👉👉PROROGATION DE L’APPEL A CANDIDATURE DU PAC ANTANANARIVO ET MAHAJANGA.👈👈👈

Posted in Actualités

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA.

📌 Alarobia 17 jolay 2024, tonga teto Faravohitra, tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny Masoivohon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine miasa eto Madagasikara, S.E.M. JI Ping.

🎯 Araka izany dia nisy ny fitsidihana ara-pomba fanajana, ary nandritra izany dia niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Repoblika Entim-bahoakan’i Chine no votoatin’ny fihaonana.

Posted in Actualités

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA.

📌Tonga nanatanteraka ny fitsidihana ara-pomba fanaja teto Faravohitra tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny Masoivohon’ny Firenena Korea, S.E.M Park Ji Hyun anio 15 Jolay 2024.

➡️Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy Korea moa no tena votoatin’ny fotoana.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana manakaiky vahoaka.

⚖️ Ho fampiarana ny politikan’ny Ministeran’ny Fitsarana :  » FITSARANA MANAKAIKY VAHOAKA » sy ho fampianarana ny andry voalohany izay « Fanandrantana ny maha-olona », dia faly manasa anao izahay ho tonga hanatrika ny « VARAVARANA MISOKATRA » izay kakarakarainay ny Alakamisy 18 Jolay 2024 ho avy izao eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely manomboka amin’ 10 Ora maraina

/center>

Posted in Autres Evenements

FAMPITAOVANA NY FITSARANA.

📌Tao anatin’ny fanokafana ny toeran’ny MFT na ny Madagasikara Fanantenana Technologie etsy Behoririka dia nanolotra solosaina miisa 50 ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana izy ireo ho fanampiana amin’ny asa ao anatin’izao azakazaka amin’ny haitao arakajy mirindra izao.

⭕ Ny talen’ny Kabinetran’ny Ministry ny Fitsarana sady Sekretera Jeneraly mpisolo-toerana, A/toa RARIVOJAONA Emile no nisolo tena ny Ministry ny Fitsarana no sady nitondra ny teny fisaorana tamin’izany.

➡️Ny MFT izay miara-miasa amin’ny Era.ca sy ny MHTM dia mikirakira ireo solosaina efa niasa ka mamerina manamboatra izany mba ho afaka ampiasaina indray ka mizara izany maimaimpoana ho an’ireo mila izany toy ireo mpianatra eny amin’ireny akany ireny ohatra.