Posted in Actualités

Fivoriana sy fifanakalozan-kevitra.

📌Ny folak’andro ny anio 13 Martsa 2023 dia niara-nivory sy nifanakalo hevitra ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana Tampony izay notarihan’ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana­­ Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana niaraka tamin’ireo mpitsara avy amin’ny Fitsarana Ambony sy ny Fitsarana Ambony misahana ny ady amin’ny Kolikoly (PAC 2nd Degré) eto Antananarivo.

⭕ Niompana kokoa mahakasika ny « plan civil » sy « plan pénal » ny dinika. Fampitoviana fomba fijery sy fifampizarana ara-traikefa ny amin’ny fampiharana ny lalàna eo amin’ny asa no tanjona.

Posted in Actualités

Atrik’asa niarahana tamin’ny Mpitsara eo anivon’ny Fitsarana Ambonin’Antananarivo.

♦️ Ny maraina ihany dia nanatanteraka atrik’asa niaraka tamin’ireo Mpitsara teo anivon’ny Fitsarana Ambony Antananarivo sy Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana Tampony izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

♦️ Fikaonan-doha hiarahana mijery ireo vahaolana amin’ny fitarazoan’ireo raharaham-pitsarana mahakasika ny ady tany sy ny ady heloka samy hafa no Anisan’ny nifantohan’ny fivoriana.

📌 Hiezaka hatrany ny Ministera foibe hamerina ny hasin’ny Fitsarana ary indrindra ho Fitsarana manakaiky vahoaka mandritra ireo atrikasa rehetra izay mbola ho tanterahana.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

♦️Teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra indray no nanatontosana ny fananganan-tsaina izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

📌 Nandritra ny fandraisany fitenenana no nitondrany ny teny fiaraha-miory sy fampiononana ho an’ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy nandritra ny fivadihan’ny lakana tany Ambilobe, ary nanamafisany fa hahazo ny sazy faran’izay enjana ireo tompon’antoka na ankolaka na mivantana, ka nahatonga iny loza mahatsiravina iny.

Posted in Actualités

Fotoam-pitsarana manetriketrika famaranana ny taom-pitsarana 2022 sy fanokafana ny taom-pitsarana 2023.

📌 Nanazava ny maha-zava-dehibe ny fanatanterahana ny fotoam-pitsarana manetriketrika ny Mpitahiry ny Tombokasem-pitsarana, Ministry ny Fitsarana,
R/toa RAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teo anatrehan’ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana.

📌 Tamin’izany ihany koa no nanomezany fanazavana mahakasika ny ady tany sy ireo raharaha mafana amin’izao fotoana izao.

🎬 Manasa anao hanaraka ny horonan-tsary anio.

Posted in Actualités

Dinik’asa sy fivoriana.

📍 Tao aorianan’ny fotoam-pitsarana manetriketrika dia niroso avy hatrany nanatanteraka dinik’asa sy fivoriana niaraka tamin’ireo Lehiben’ny Mpirakidraharaha « Greffier en Chef » sy ireo lehiben’ny mpitan-tsoratra « Chef Secretariat » eo anivon’ny Fitsarana Tampony sy ny fari-piadidian’ny Fitsarana Ambony Antananarivo ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

♦️ Tsy nisy nipika ny dinika nandritra ny fivoriana.