Posted in Autres Evenements

Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antsohihy.

📌 Notanterahina ny Zoma 17 Martsa 2023 tamin’ny 10 ora maraina teo ny fotoam-pitsarana manetriketrika famaranana ny taom-pitsarana 2022 ary fanombohana ny taom-pitsarana 2023 tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Antsohihy. Fotoana ihany koa nanaovana ny tomban’ezaka.

⭕ Raha ny salan’isa an’ireo asa rehetra natao ny taona 2022, dia 60% mahery kely ny ambany indrindra ny asa vita amin’ny ankapobeany, ary maro ireo karazan’asa nihoatra ny 80% no vita ary nisy ny nahazoana vokatra 100% mihitsy.

⭕ Raha mahakasika ny « ratio condamnés/prévenus » dia 74,09% /25,91%. Tratra ny tanjona napetraka ny Ministeran’ny Fitsarana izay 70% / 30%.

⭕Raha ny ady amin’ny Kolikoly sy ireo mpijirika dia 14 no tratra ambodiomby sy niaky ny helony ary voasazy avokoa.
♦️Hitohy ny ezaka ary ho hatsaraina ireo salan’isa ireo amin’ity taona 2023 ity.
♦️ Marihina fa Mpitsara 2 sy Mpirakidraharaha 12 no ao amin’ny Fampanoavana (Parquet) , ary 2 kosa no ao amin’ny Mpamoaka didy (Siège) no eto Antsohihy.

Posted in Actualités

ENMG.

📌 Notontosaina anio alakamisy 16 martsa 2023 ny fidirana ofisialy ireo mpianatra ho mpitsara andiany 2022.

⭐Tonga nanatrika izany lanonana nandraisana ireo mpianatra izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana,­ Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

⭕Ireto andiany 2022 ireto dia miisa zato (100) izay mizara sampana telo:
– Ny sampana misahana ny ady ifanaovan’olon-tsotra: mpianatra miisa enimpolo (60)
– Ny sampana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana: mpianatra miisa roapolo (20)
– Ny sampana misahana ny fitsirihina sy fanaraha-maso ny kaontim-bolam-panjakana: mpianatra miisa roapolo (20)

⭕Maharitra roa (2) taona ny fiofanan’izy ireo eto anivon’ny Sekoly fanofanana mpianatra ho mpitsara sy mpiraki-draharaha ka ny taona voalohany dia fianarana ety amin’ny Sekoly. Ny taona faharoa dia fianaran’asa eny amin’ny ivotoeram-pampiofanana arak’asa maro samihafa.

🔷Ny nampiavaka ny fandraisana ireto andiany 2022 ireto dia ny fanaovan’ireto mpianatra ireto sonia ny satan’ny fitondran-tena mendrika maneho ampahibemaso ny faneken’izy ireo ny fitsipi-pifehezana sy fandaminana apetrakin’ny Sekoly sy izay takian’ny asa hosahanin’izy ireo any aoriana.

Posted in Actualités

ENMG.

📌 Taorian’ny lanonana fandraisana ireo mpianatra andiany 2022 dia nanatanteraka avy hatrany ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ireo mpianatra.

📌 Fotoana izay nifankahalalan-dRamatoa Minisitra misimisy kokoa tamin’ireo mpianatra ary koa nanomezany ny anatra sy torolalana ho an’ireto zandry, zanaka.

⭕Ny tolakandro kosa dia nitohy tamin’ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny Filoha Voalohany sy ny Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony sy ny filoha an’ireo ratsana telo mandrafitra ny Fitsarana Tampony ireo mpianatra andiany 2022.

⭕Niroso ihany koa tamin’ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny Filoha sy ny mpampanoa lalàna ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, ary ny Filoha sy ny Mpampanoa lalàna ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana eto Antananarivo izy ireo ny tapany harivan’ny anio 16 martsa 2023.

Posted in Autres Evenements

Atrik’asa.

📌 Nifarana androany ny atrik’asa izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana Tampony izay niarahana tamin’ny Fitsarana Ambony Antananarivo sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao anaty fari-piadidiany , ny Fitsarana manokana misahana ny Ady amin’ny Kolikoly, ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ary Fitsarana ara-bola.

⭕ Tanjona ny hamerenana ny hasin’ny Fitsarana, ho Fitsarana manakaiky vahoaka sy miady amin’ny kolikoly, izay voalaza ao @velirano faha-telon’ny Filoham-pirenena.
Mila havaozina ny fomba fiasa, sy mila mitovy ny fomba fijery mba hanatrarana izany vina sy tanjona Hapetraky ny Ministera izany.

🔷 Ny maraina dia niaraka tamin’ireo Mpirakidraharaha sy ireo « personnel d’appuis » eto anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, ny Fitsarana Misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ary ny eo anivon’ny fitsarana ara-bola ny delegasiona mafonja avy amin’ny Ministera FOIBE izay notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana R/toa RABY SAVATSARAH AIN’HARIMANGA.

🔷 Ny folak’andro kosa dia niaraka tamin’ireo Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana Ambony sy eo anivon’ny Fitsarana manokana misahana ny Ady amin’ny Kolikoly ny delegasiona.

Posted in Autres Evenements

FANDAHARAN’ASA « FANARENANA ».

🔷FAMPIOFANANA IREO INFIRMIERA EO ANIVON’IREO TOERAM-PAMONJANA ETO MADAGASIKARA.

📌 Anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha 5-n’ny Filoham-pirenena (Fahasalamana ho an’ny rehetra, sy ho amin’ny taona rehetra), dia nisy ny fampiofanana ireo infirmiera miasa eny anivon’ireo toeram-pamonjana eto Madagasikara. Izany dia anatin’ ny fanatanterahina ireo asan’ny Tetikasa MIKOLO AINA (Douleurs Sans Frontières), izay vatsian’ny Agence Française de Développement vola, amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa FANARENANA eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana .

Izao fampiofanana izao dia ho fanatrarana ihany koa ny tanjon’ny Ministeran’ny FItsarana : « actions 174 et 175 » izay mikendry ny fanatsarana hatrany ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja, amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana mitohy na « formation continue » manaraka ny fiovan’ny teknika fandraisana marary sy ny filan’ny tolotra ara-pahasalamana , mba hisian’ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana manara-penitra ho an’ireo voafonja.

Intelo miantoana ny fiofanana, ka ireo infirmiera miisa telo amby efapolo (43) miasa anatin’ny faritra Analamanga, Atsinanana, Analanjirofo, Vakinankaratra no misitraka izao fiofanana voalohany izao. Eto Toamasina no hanatanterahina ity fiofanana andiany voalohany ity. Maharitra valo andro ny fiofanana ka ny enina andro hanamafisana ny fahaiza-manao ara-tsoratra na « théorie », ary ny roa andro dia hifantohana amin’ny fampiharana na « pratique ». Iarahana miasa amin’ny Fitaleavan’ny ivon-toeram-pampiofanana ireo infirmiera sy mpampivelona eto Madagasikara/ Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izao fiofanana izao.

Hisy ny fiofanana andiany faharoa any amin’ny faritra Toliary amin’ny volana may ho avy izao, ary any Mahajanga no mamarana ny andiany fahatelo, izay atao amin’ny volana jiona.

⭐Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izao fiofanana izao ny Talé misahana ny maha-olona sy ny fanomanana ny fiverenan’ny voafonja eny anivon’ny fiaraha-monina (DHDPRS) ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana izay nisolotena ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, izay notronin’ny Mpandrindra ny Fandaharan’asa FANARENANA, ny Talé-paritry ny fandraharahana ny Fonja eto Atsinanana, ary ny Talé-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana.