Posted in Actualités

Fidinana ifotony CAMP PENAL ANDALAOSY.

♦️ Tsy niandry ela fa vao nigadona teto Antsiranana ny delegasion’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana Tampony izay notarihin’ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana , R/toa RANDRIAMANATENASOA Landy Mbolatiana dia nijery avy hatrany ny “Camp Pénal” Andaloasy kaominina Antsalaka, 59 km miala ny tanànan’ Antsiranana.

📌 Tsy mijanona fotsiny ao amin’ny toeram-piasany ny Ministra fa midina ifotony mijery akaiky ny zava-misy, ary Izy irery hatreto no Ministra nitsidika ity “Camp Pénal” ity. Nandritra ny fitsidihana dia nanararaotra nitafa sy nifampidinika tamin’ireo Mpadraharaha ny Fonja sy ireo voafonja manajary ny toerana ny tenany.

📌Mamokatra tokoa ny tany izay nambolena katsaka sy mangahazo, ary 10ha amin’ny 108 ha ny tany azo volena no mbola voatrandraka hatreto, izay vinavinaina hampiakatra vokatra 18 Taonina. Marihina fa voafonja 31 no mikarakara ny toerana rehetra.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny Masoivohon’ny Amerika 🇺🇸, SEM Claire A. Pierangelo tao amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Faravohitra.

⭕ Fanamafisana ny fiaraha-miasa sy fandinihana ny fifanarahana azo atao amin’ny hoavy amin’ny lafiny fitsarana no tena nivoitra tamin’izany.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny Masoivohon’ny Torkia.

📌Anio hariva ny 20 Martsa 2023 dia nanantontosa fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Farvohitra ny masoivohin’ny Firenena Torkia🇹🇷.

⭕ Fiaraha-miasa mahomby sy azo tanterahana amin’ny lafiny raharaha ara-pitsarana eo amin’ny firenena roa tonta no nifantohan’ny laha-dinika.
Marihina fa mbola tsy misy ny fifandraisana ara-pitsarana eo amin’ny Firenena roa tonta.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina.

📌Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny masoivohin’ny Vondrona Eoropeanina anio 20 Martsa 2023 teto Farvohitra.
Nitondra ny teny fiarahabana ho an’ny Rtoa Ministra ny amin’ny naha-voatendry azy amin’izao toerana izao ary indrindra ihany koa hanamafy ny fiaha-miasa.

🔷Tsara ny manamafy fa anisan’ny nanampy betsaka ny Ministeran’ny Fitsarana tamin’ny fanomezana ireo fitaovana ara-informatika sy foto-drafitrasa nahafahana nikirakira ny Haitao Ara-Kajy mirindra ny Vondrona Eoropeanina.

⭕Efa mipariaka eny anivon’ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany, Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana ary ny Fitsarana ara-bola manerana ny faritany enina ireo « Logiciel » novatsiany vola.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

♦️Teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra indray no nanatontosana ny fananganan-tsaina izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra.