Posted in Actualités

29 Martsa 2023 – MORAMANGA : 76 taona, Tolom-panafahana firaisankina ho an’ny fitiavan- tanindrazana.

📌 Ny Filoha dia vonona amin’ny fomba rehetra ary hanao ny ezaka rehetra hampandroso ny Firenena. Manao antso ho amin’ny firaisan-kina, fitiavana ary tsy hanaiky hozarazaraina ny Filoha, handala ny marina, rariny ary hitsiny, fanoloran-tena, risi-po ary fahafohizan-tena ho an’i Madagasikara.

⭕Nanolotra fitaovana « moto » ho an’ireo Ben’ny tanana ao Moramanga ny Filoham-pirenena ahafan’izy ireo mamonjy ireo andraikitra atrehany miampy camion iray sy benne dimy hanadiovana ny Tananan’i Moramanga.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pombam-panajana.

📌 Fitsidihana ara-pombam-panajana nataon’ny solontena maharitry ny PNUD eto Madagasikara, R/toa Natasha Van Rijn ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA teto Faravohitra.

♦️ Fanamafisana ny fanohanan’ny PNUD amin’ireo tetikasa samihafa sy ny fahavononan’ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fiaraha-miasa no votoatin’ity fihaonana ity.

Posted in Actualités

FITSARANA AMBONY ANTSIRANANA.

♦️ Ny Fitsarana Ambony Antsiranana no nanakatonana tanteraka ny fotoam- pitsarana manetriketrika famaranana ny taom-pitsarana 2022 ary fanokafana ny taom-pitsarana 2023, ny andron’ny 24 martsa 2023.

📌 Tatitry ny asa vita ny taona 2022 avy ao amin’ny Fitsarana Ambony, ny Fitsarana Ambaratonga voalohany efatra (04) amperinasa izay ao amin’ny fari-piadidiany (Antsiranana , Antalaha , Ambanja ary Nosy-Be ), ny Fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana ary ny Fitsarana ara-bola.
📌 Nanasongadina ireo vina sy ezaka hatao ho fanatsarana ny fomba fiasa ny sampam-pitsarana tsirairay, ary indrindra hanamafy ny ady amin’ny Kolikoly sy ho Fitsarana manakaiky ny vahoaka hatrany.

♦️Taorian’ny fisokafan’ny taom-pitsarana 2023 dia nanatontosa ny lanonam-pitsarana fametrahana ny:
– Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antsiranana Andriamatoa RANDRIAMAHAVORISOA Gilberto Ralaingita sy ny
– Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Nosy-Be Andriamatoa ANDRIATSARAHARY Donatien.

♦️ Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana rehetra ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, sy ny delegasiona notarihiny avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana Tampony.

Posted in Actualités

Fitsarana Ambony Antsiranana.

♦️ Ny marainan’ny 24 martsa, ny delegasiona avy amn’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana Tampony izay tarihin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nanatanteraka dinikasa izay niarahana tamin’ireo Mpirakidraharaha eo anivon’ny fari-piadidian’ny Fitsarana Ambony Antsiranana.

📌 Nampatsiahy ny andraikiny Rtoa Ministra izay miompana ny amin’ny velirano faha-telon’ny Filoham-pirenena « Veiller à la mise en œuvre de la politique générale en matière de justice ».

📌 Notsindriany mafy nandritra ny fifanankalozana ny :
– fahamarinam-potoana amin’ny fahatongavana miasa sy izay rehetra atao,
– fanajana ireo mpisitraka ny Fitsarana izay ny Mpiraki-draharaha no mifanerasera aminy voalohany,
– Ady amin’ny kolikoly izay himasoan’ny Ministera foibe tokoa
– Ary ny tokony hananana hatrany fitondran-tena mendrika hatrany.

Posted in Actualités

Fonjaben’Antsiranana.

♦️ Nitohy Tao amin’ny Fonjaben’Antsiranana ny fidinana ifotony nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ny delegasiona izay tarihiny.

♦️ Nitafa sy nihaino ny fangatahana sy ny hetahetan’ireo voafonja no fandahara-potoana nataony voalohany.
Taorian’izay dia nanao dinikasa niarahana tamin’ireo Mpandraharahan’ny fonja ny tenany ary nanome toro-lalana sy hafatra ho fanatsarana hatrany ny fomba fiasa ary indrindra indrindra ho fanajana ny lalàna sy ny zon’ireo voafonja.

📌 Tsy Tonga tamin’ny tana-polo Rtoa Ministra fa nitondra vatsy sy fitaovana ka nanolotra :
– vary 1 taonina sy menaka 40 litatra ho an’ny voafonja rehetra .
– mofo sy akondro ho an’ireo voafonja vehivavy ampy taona sy tsy ampy taona.
– “imprimante” ho an’ny Lehiben’ny fonja.
– ary namaha ny olan’ny fahazoan-drano izay fiaraha-miasa manokana tamin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akora azo havaozina ary ny JIRAMA, izay hisaorana manokana.