Posted in Autres Evenements

Fahavitan-tena ara-tsakafo sy fitsinjovana ny mahaolona an’ireo voafonja.

📌 Camp pénal Vatomandry no nanokafana ny asa mahakasika ny fikarakarana ny Fonja ary indrindra ireo voafonja amin’ny alalan’ny fanomezana fitaovana ahafahan’izy ireo miavotra ara-tsakafo ary mampivoatra ny lafiny mahaolona azy amin’ny fandraisana andraikitra sy an-tanana ny fikarakarana ireo fambolena vokatra ho azy ireo ihany.
Fokontany Tsaratanana, 15 km miala eo Vatomandry, velaran-tany 50Ha no nambolena vomanga avy hatrany nanomboka ny 1 aprily lasa teo.

⭕️ Sombiny ihany izao vita izao manoloana ireo vina fanitarana sy fametrahana Camp pénal amin’ireo Fonja manerana ny Nosy eo ambany fitantanan’ny Mpitahiry ny Tombonkasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana R/toa Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA.
Misitraka avy hatrany izay vokatra amin’izany moa ny Fonjan’ny Vatomandry mikarakara ny tany sy fambolena.

Posted in Actualités

Miray hina sy miara-mientana hampandroso miaraka ny ministera, ny mpiara miasa rehetra amin’ny alalan’ny asa sôsialy.

📌 Notanterahina ny 31 mars 2023 ny fifampizarana sy fiarahana tamin’ireo mpiara-miasa rehetra nandritra ny hetsika nokarakarain’ny Sosialy eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.
Nifanotrona tamin’ity fotoan-dehibe manokana ity ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA.

⭕ Fiaraha-mientana, firaisan-kina no misongadina amin’izao hetsika anatiny izao.
♦️ Nanamafy moa ny Minisitra fa misokatra ho an’ny mpiara-miasa aminy rehetra hatrany ny varavarany.

Posted in Autres Evenements

Fampirindrana ny didy raikitra eo anivon’ny Fitsarana : Tontosa ny atrikasa fananganana ny komity hanatanteraka izany.

📌 Nandritra ny roa andro dia nifantoka tamin’ny fametrahana ny komity hitarika, hamolavola, hanatanteraka sy hanara-maso ny fampirindrana ireo didy raikitra rehetra eny anivon’ny Fitsarana ny Minisiteran’ny Fitsarana nisy ny Sekretera Jeneraliny Gabrielle Ain’Harimanga Raby Savatsarah sy ny filohan’ny Fitsarana Tampony Rakotonavalona Ranary Robertson ary ny PNUD mpiara-miombon’antoka.

⭕ Tsiahivina fa vao andro vitsy izay no nihaona ny solontena maharitry ny PNUD Natasha Van Rijn sy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny Projet RINDRA tohanan’ny USAID sy PNUD : fanamafisana fifampitondrana eto Madagasikara mitondra izao atrikasa izao.

🔴 Ny fampirindrana ny didy raikitra dia hampihena ny fiakaran’ireo raraharaha any amin’ny fitsarana fandravana, hisoroka ny fahasamihafan’ny didy havoaka amina raharaha mitovy ary hiantoka ny filaminan’ny asam-pitsarana.

♦️ Ny fahatanterahan’io tetikasa io dia manamafy ny fitondrana tsara tantana kasaina apetraka, tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanafainganana ny fitantanana ny asam-pitsarana ary manamora ny fikarakarana ireo olom-pirenena manana raharaha hotsaraina.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana manakaiky vahoaka, Manaparitaka ny lalàna eny ifotony. Nisitraka izany ny tao Ambohitseheno.

📌Notanterahina tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohitseheno, Distrikan’i Manjakandriana ny fampahafantarana ireo paik’ady ara-pitsarana sy fanapariahana lalàna.

⭕ Ny Sampandraharan’ny Fanapariahana lalàna ao amin’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihana sy ny Fanavaozana lalàna (DERL) eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana no nitondra ny fanentanana sy fanazavana manoloana ireo tomponandraikitra maro samihafa sy ireo mponina tao an-toerana sy ny manodidina.

🔴 Novelabelarina nandritra izany ny mikasika :
– ny fiankohonana ;
– ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy ;
– ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy ;
– ny manodidina ny fananan-tany ;
– ny hetra trano sy ny hetra tany ;
– ny fanenjehana ny fandikan-dalàna.
📌Hitohy manerana ny Faritra maro ny hetsika izay tohanan’ny PAJMA.

Posted in Autres Evenements

Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Amoron’i Mania.

📌 Ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiainan’ireo voafonja dia anisan’ireo laharam-pahamehana eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana, anatin’izany ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ireo voafonja. Miara-mientana arak’izany ireo mpiaramiasa isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera amin’ny asa famokarana.

⭕Ny tombim-pamokarana Beampolo Fonja Fandriana, Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja (DRAP) Amoron’i Mania, manana tany vita voly vary 4 Ha, haninkotrana 5 Ha.