Posted in Actualités

Paik’ady fanafainganana ny raharaham-pitsarana mahakasika ny ady tany.

📌 Vina napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA ny fanafainganana ny raharaha ara-pitsarana mahakasika ireo ady tany manerana ny Nosy.
Mitondra fanazavana ny tenany ny amin’ireo paik’ady entina hanatanterahana izany vina izany , ary ny Fitsarana Ambony sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo no ho Fitsarana fitaratra hanombohana ny paik’ady maharitra.

📌 Misy koa ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, sy ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany ho fanamorana sy ho fanafainganana ny fikarakarana ireo antonta-taratasy ilaina rehetra.
Manasa anao hanaraka manontolo ny fanazavana.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana , Ramatoa Landy Mbolatiana RANDRIAMANATENASOA teto Faravohitra ireo solontena izay misehatra ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena.

📍 Niompana tamin’ny tetikasa “TSARA ANTOKA” ny resaka nandritra ny fitsidihana. Fametrahana ny rejisitry ny antoka amin’ny fampindramam-bola, izay afaka kirakiraina sy natao ara-kajimirindra tamin’ny volana Desambra 2022 . Ny tetikasa dia novatsian’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny IFC na “Société Financière Internationale”.
Tanjona ny hanatsarana sy hampahomby ny rafitra ara-pitantanam-bola sy ara-pitsarana amin’ny lafiny ekonomika.

📍Tafiditra ao anatin’ny tetikasa «TSARA ANTOKA» avokoa ireo antoka rehetra amin’ny fampidramam-bola ankoatran’ny Tany sy trano.

Posted in Actualités

Paik’ady fanafainganana ny raharaham-pitsarana mahakasika ny ady tany.

📌 Ho fanantanterahana ny vina napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana , Ministry ny Fitsarana, Ramatoa Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA, tamin’ny nandraisany ny toerana maha ministra azy dia nanantanteraka fivoriana arak’asa teto amin’ny tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ny 03 Aprily 2023 ny tenany, niarahana tamin’ireo Mpitsara eo anivon’ny Fitsarana Ambony sy Fitsarana Ambaratonga voalohany teto Antananarivo.

📌 Ny Fitsarana eto Antananarivo no ho Fitsarana fitaratra hanombohana sy nanolorana ny paik’ady maharitra hanafainganana ny raharaham-pitsarana mahakasika ny ady tany, ary hijerena ireo olana ifotony misy sy sedrain’ny vahoaka.

Posted in Actualités

Fametrahana ny Filohan’ny filankevi-mpanjakana eo anivon’ny Fitsarana Tampony.

📌Notanterahana androany 03 Aprily 2023 tao amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fihanianana sy nametrahana ny Filohan’ny filankevi-panjakan’n­y Fitsarana Tampony, R/toa RATOLOJANAHARY Marie de Jesus.

⭕Nitondra fanazavana bébé kokoa mahakasika ny asa hiandraketan’ny Filankevim-pajankana­ ny tenany ary nanome toky fa vonona hanohy ny ezaka izay efa nataon’ny teo loha, ary hitondra fanavaozana sy fanatsarana ary fampandrosoana hatrany ho an’izany Fitsarana izay tantanany izany.

⭐ Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-pitsarana manetriketrika ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

Fananganan-tsaina natao tao amin’ny Fitsarana Tampony izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

📌Aoka hanaja hatrany ny asa sy tsy hitarain-tana-miepak­a ny ady amin’ny Kolikoly ny rehetra, ireo no toromarika nomeny nandritra ny fotoana fananganan-tsaina.

⭕Fiaraha-mientana sy ezaka hiaraha-manao izany ho famerenana indray ny hasin’ny Fitsarana.