Posted in Actualités

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY AO FIANARANTSOA: NAPETRAKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FILOHA. NANOTRONA NY LANONANA ARA-PITSARANA NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

📌 Teboka iray ao anatin’ny laharam-pahamehana napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ny fanafainganana ny Fitsarana mikasika ny ady tany. Io aditany io no tena isan’ny raharaha manahirana ny Fitsarana eto Fianarantsoa.

✅Fampiharana ny paikady napetraky ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana no entin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Fianarantsoa, hanafainganana ny Fitsarana ny ady tany. Hampihariny ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Mpanao Gazety, ho fanamafisana ny fanapariahana ny lalàna, ho an’ny Fitsarana manakaiky vahoaka. Isan’ny nambarany ireo nandritra ny fandraisam-pitenenana, nandritra ny lanonana ara-pitsarana manetriketrika, nametrahana azy tamin’ny toeran’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Fianarantsoa, Ramatoa RANDRIAMANANTENA Lalaina Harisoa.

⭕Nanome voninahitra izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary tamin’io fotoana io no nanontanian’ny Mpanao Gazety ny mikasika ny raharaha Raissa. Mazava ny valin-tenin’ny Minisitra: « malalaka ny fitsarana, ary ny zavatra toy ireny dia mila porofo, tsy ny raharaha Raissa ihany fa ho an’ny olona rehetra satria tsy mitanila ny Minisiteran’ny Fitsarana ».

Posted in Actualités

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY AO IHOSY: NAVAOZINA TANTERAKA, VOKATRY NY FIARAHA-MIASA TAMIN’NY PNUD.

📌Fotodrafitrasa efa tranainy ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ihosy. Izay vao mba nisy fanavaozana, ka vola mitentina 250 Tapitrisa Ariary no nentina nanamboarana azy. Io dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD.

⭕Andaniny, ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ankoatry ny fisaorany ny Mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanohanana ara-bola, dia nanazava ny fotokevi-dehibe, mifandraika amin’ny laharam-pahamehana napetrany hitondrana ny Minisitera, ary nanao antso ho an’ny Mpiara-miasa eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ihosy, izay hampiasa io fotodrafitrasa navaozina io, mba ho mendrika amin’ny fomba fiasa sy ny fanatanterahana izany laharam-pahamehana izany.

⭕Tetsy an-kilany, ny Solotena maharitry ny PNUD, Ramatoa Natasha Van Rijn dia nilaza fa mbola ho mafy hatrany ny fanohanan’ny PNUD, ny Minisiteran’ny Fitsarana nohon’ny fahatsapan’izy ireo fa hita soritra ny firosoana amin’ny ady amin’ny kolikoly, ny Fitsarana tsy mitanila sy ny Fitsarana manakaiky Vahoaka, izay tena maharesy lahatra azy ireo.
☑Ankoatry ny fanavaozana ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, dia mbola nanolotra fitaovana mitentina 30.000 Dolara ihany koa ny PNUD, hanamafisana ny fanatrarana izay laharam-pahamehana napetraky ny Minisitry ny Fitsarana izay, ka ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Ihosy sy ny ao Betroka no hampiasa ireo fanomezana ireo.

Posted in Actualités

ENAP.

🛑 Sekolim-pirenena Mpampiofana ho Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP):
🚫 TSY HANAIKY KOLIKOLY AMIN’NY FFIFANINANANA HIDIRANA HO MPIANATRA NY MINISITRY NY FITSARANA.

Posted in Actualités

Lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana voalohany ny taona 2023.

📌 Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona 2023 ity ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana anio maraina ny 02 Mey 2023 tetsy amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ary ny folak’andro kosa dia tetsy amin’ny Antenimierandoholona Anosy.

Posted in Autres Evenements

Hetsika Fiara zo.

📌 Tao arianan’ny fandalovana tao Ankazondandy ny Alarobia 26 Aprily 2023 dia nifarana tao ambonivohitr’i Anjozorobe ny hetsika « Fiara Zo » ny Alakamisy 27 Aprily 2023.

➡Tratra ny tanjona amin’ny hoe fitsarana manakaiky vahoaka. Tonga maro ny vahoaka ary tsapa fa tena ilaina ny fidinana ifotony toy izao mba hafahana mahazo ireo taraina sy tena hafantarana ny zava-misy eny amin’ny fiaraha-monina.
Naharitra ora maro ny fihaonana ary ireo vahoaka no tena nohenoina tamin’izany.

✅Nampafantarina ny lalàna misy sy ny zony ireo vahoaka ary natoro azy ireo ny paik’ady rehetra aram-pitsarana mba hisoroana ny tsindry sy fanararaotana ary indrindra hialàna amin’ny kolikoly izay iadivan’ny Ministeran’ny Fitsarana fatratra.

⭕Nandray anjara mavitrika sy niara-nisalaha avy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fitsarana toy ny Mpitsara, Mpirakidraharaha ary teo ihany koa ny Mpisolovava sy ny Notera.

🔷Izao hetsika izao moa dia tohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD).

🔴 Ity hetsika ity dia mbola hitohy amin’ny faritra hafa.