Posted in Actualités

FIARA ZO : AFAPO TAMIN’NY FAMPAHAFANTARANA NY ZONY AMIN’NY RESAKA LALANA NY MPONIN’ AMBONDROMAMY SY MAMPIKONY.

📌 Ny Alarobia 24 Mey 2023 tao Ambondromamy, ny Alakamisy 25 Mey 2023, tao Mampikony. Tanteraka ny Fitsarana manakaiky vahoaka, tamin’ny alalan’ny « Fiara Zo », tetikasa iarahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD.

⭕️ Vahoaka marobe hatrany no tonga nihaino ny fanazavana nentin’ny Tekinisianina isan-tokony, nahitana ny Mpitsara, ny Mpiraki-draharaha, ny Mpisolovava, ny Notaire sy ireo mpikirakira ny raharaham-pitsarana.

➡️ Nandritra izany, nitondra famelabelarana hatrany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nampahafantariny tamin’izany ny fotokevi-dehibe niaingan’ny Fiara Zo, ny laharam-pahamehana napetraka hitondrana ny lamina vaovao, hanadiovana ny tontolon’ny Fitsarana sy ny fitantanana ny Fonja. Napetraka ho fomba fiasa mandritry ny fanatanterahana ny Fiara Zo ihany koa ny fanomezana fitenenana malalaka ireo Vahoaka manatrika ny fihaonana ka maro no nitondra ny sosokevitra sy ny fitarainana avy aminy. Noraisina havokoa ireny, ka nisy ny nomem-baliny avy hatrany, misy kosa no tsimaintsy dinihina miaraka amin’ny Tekinisianina eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

Posted in Actualités

FANADIOVANA NY TONTOLON’NY FITSARANA SY NY FITANTANANA NY FONJA: TANTERAHINA NY LAMIN’ ASA VAOVAO NOVOKARIN’NY MINISITRY NY FITSARANA. NY FONJAN’ ANTANIMORA NO HANOMBOHANA AZY.

📌Tao amin’ny Fonjan’ Antanimora, nandritra ny fitsidihana tampoka nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, betsaka ny zavatra hita fa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy: tery ny Fonja satria mihoatra ny zakan’ny toerana ny isan’ny voafonja, tsy mifanaraka ny isan’ny voafonja voarakitra anatin’ny boky sy ny voaisa mivantana, misy ny voafonja miasa any ivelany, betsaka ny mbola tsy voatsara raha oharina amin’ny voatsara.

☑️Niainga tamin’izany, natsangana ny « task force » hanatanteraka ny lamin’asa vaovao ho entina manadio ny fitantanana ny Fonja sy ny tontolon’ny Fitsarana ary hanafainganana ny raharaham-pitsarana.

➡️ Ho an’ny Mpitantana ny Fonjamben’Antanimora dia hatao mazava ny antotan’isa ka hatokana ny isan’ny voatsara sy mbola tsy voatsara, tsinjaraina ireo voatsara ka hatokana ireo nanao fampakarana, hatokana ireo nangataka fandravana didy. Rehefa vita izay dia hampitoviana ny isa avy any amin’ny Fonjamben’ Antanimora sy ny isa eo ampelatanan’ny Fitsarana Anosy. Miainga amin’ny antotan’isa marina mivoaka eo no hitsinjarana ny asa ka atao mitovy ny isan’ny raharaha eo ampelatanan’ny Mpitsara tsirairay, toy izay efa nampiharina tamin’ny Fitsarana ady tany.

⭕️ Ao anatin’ny fanatanterahana izany , dia miato aloha ny famoahana voafonja hiasa any ivelany, mba hahafahana mamoaka ny isa marina.
▫️Enimbolana no hanatanterahana io lamin’asa vaovao io, ary hatao manerana an’i Madagasikara, aorian’ny fampiharana azy amin’ny Fonjan’ Antanimora.

🎥 Horonan-tsary:

📌 🎥FANAOVANA ASA IVELAN’NY FONJA: MIATO ALOHA MBA HISIAN’NY FANDAMINANA.

Posted in Actualités

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY ANTANANARIVO: NANDRAY NY ASANY NY TONIA MPAMPANOA LALANA.

📌 Ny Alatsinainy 22 Mey 2023 no nandray ny asa maha-Tonia Mpampanoa Lalàna, eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo Ramatoa RAKOTONIAINA Narindra Navalona. Ny fanatanterahana ny laharam-pahamehana napetraky ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana no himasoany, dia ny ady amin’ny kolikoly, ny Fitsarana tsy mitanila ary ny Fitsarana manakaiky vahoaka.

🔴 Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana dia nampahatsiahy ny andraikitry ny Tonia Mpampanoa Lalàna, izay tena saropady tokoa ka mila olona sahy mandray andraikitra, ary tena vonona ny hiady amin’ny kolikoly tokoa.

⭐ Olo-manankaja sivily sy Miaramila maro no nanatrika ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nametrahana tamin’ny toerany ny Tonia Mpampanoa Lalàna Antananarivo.

Posted in Actualités

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY MAROANTSETRA, AMPERIN’ASA NY FILOHANY, NANATRIKA NY FAMETRAHANA AZY TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌 Ny Zoma 19 Mai no nanaovana ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nametrahana an-dRamatoa MAEVAZAKA Josie Thérencia, ho Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Maroantsetra.

⭕ Fanambiny ny hanao laharam-pahamehana ny ady amin’ny famotehana ny tontolo iainana, ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ary ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, indrindra ny ady tany, izay tena mahazo vahana eny anivon’ny fiaraha-monina.

⭕ Tetsy an-kilan’izay, ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, dia nanamafy hatrany fa tsy maintsy halavirina ny kolikoly, ary nanao antso avo amin’ny tompon’andraikitra rehetra amin’ny raharaham-pitsarana, mba samy hanatanteraka izany. Namafisiny ihany koa fa miara-miasa ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD ka misy ny fanatontana boky, mirakitra ny didim-pitsarana nivoaka tany aloha, hahafahana mampitovy ny didy mivoaka amin’ny raharaha mitovy, ka tsy hisy ny fitanilana.

➡ Taorian’ny lanonana ara-pitsarana manetriketrika, nametrahana tamin’ny toerany, ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Maroantsetra, dia nitsidika ny Fonja tao an-toerana ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary nanolotra jiro hanazavana ny toerana sy vary hanampiana ny eo anivon’ny Fonja.

Posted in Actualités

FONJAN’I MAROANTSETRA: NIJERY NY FOMBA FITANTANANA NY VOAFONJA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌 Ny Zoma 19 Mai 2023, nitsidika ny Fonjan’i Maroantsetra ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nandritra izany no nanadihadiany ny fomba fitantanana ny voafonja, ny olana sedrain’ny Mpandraharahan’ny Fonja ary nanazavany ny laharam-pahamehana napetraka, mikasika ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana. Ankoatr’izay dia nanolotra fitaovana sy sakafo, hanampiana ny eto anivon’ny Fonjan’i Maroantsetra ny Minisitra.

➡Nanolotra jiro sy vary ho fanampiana ny Fonjan’i Maroantsetra izy.