Posted in Actualités

HAZAKAZAKY NY FIRAISANKINA.

📌 Alahady 11Jona 2023. Nisy ny hazakazaky ny firaisankina. Niainga teo anivon’ny Tranombokim-pirenena nihazo ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Fanamiana mitovy, maneho izany firaisankina izany no nentin’ny Fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Fitsarana, niatrika ny hazakazaka, izay nialohavan’ny fanafanana tena.

➡ Izany rehetra izany dia efa tafiditra ao anatin’ny fiatrehana ny fetim-pirenena, izay ho marihana afaka andro vitsy.

Posted in Actualités

MINISTRY NY FISTARANA:Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo mpianatra may trano, teny amin’ny oniversiten’Antananarivo.

📌 Ny marainan’ny Sabotsy faha-10 Jona 2023, no nirehitra ny trano fonenan’ireo Mpianatra miisa 32. Tsy nisy ny aina nafoy, saingy kila havokoa ny entana rehetra.

➡ Mba ho fanohanana ara-pitaovana sy ara-tsakafo, ireo Mpianatra avy any amin’ny Faritra Itasy, isan’ny niharan’ny fahavoazana dia nanolotra fanampiana ho azy ireo ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay Mpiahy ny Faritra, sy ny Minisitry ny Fahasalamana ary ny Solombavambahoaka.

👉 Fitaovana sy sakafo ilaina andavanandro no natolotra ka nahatsiaro ho manan-dRay aman-dReny ireo Mpianatra nahazo izany, ary nisaotra ny Manolotra tamin’ny alalan’ny Filohan’ny MAMAFI, Fikambanan’ny Mpianatra Ambaratonga Ambony avy amin’ny Faritra Itasy.

Posted in Actualités

FIVORIANA NANDINIHANA NY FAMPIHARANA NY ASA.

📌 Zoma faha 09 Jona 2023. Natao tao amin’ny Tranombokin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny fivoriana, nandinihana ny fanatsarana ny fomba fiasa, ho fanamafisana ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, indrindra ny ady tany.

⭐ Nitarika izany ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary nandray anjara tamin’io fivoriana io ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, ny Fitsarana Ambony ary ny Fitsarana Fandravana.

➡ Nivoitra tamin’izany ny fijerena ireo lalàna sy paik’ady iraisana mba ho haingana kokoa ny fizotry ny Fitsarana. Tanjona ny hahatokisan’ny vahoaka indray ny sehatry ny Fitsarana eto Madagasikara.

Posted in Actualités

FANDRAHARANA NY FONJA:NIVORY NY KOMISIONA MISAHANA FAMINDRAN-TOERANA.

📌 Ny Zoma 09 Jona 2023, notanterahina teto amin’ny Biraon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, teto Faravohitra ny fivorian’ny komisiona mandrindra ny famindran-toerana ny Mpandraharahan’ny Fonja. Nitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, notronin’ireo Tekinisianina manana andraikitra amin’izany.

➡ Hita mantsy fa misy ireo Fonja misedra olana eo amin’ny tsy fahampian’ny olona ka tsy maintsy mandrindra izany, araka ny tokony ho izy ny eo anivon’ny Minisitera. Tanjona ny hisian’ny fifadanjana eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Nanamarika ny Minisitra fa ny toerana rehetra hiasana dia mendrika havokoa.

Posted in Autres Evenements

ENMG

📌 Notontosaina ny O2 jona 2023 tao amin’ny Novotel Ivandry ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo taranja 3: Ady amin’ny kolikoly, Ady amin’ny kolikoly mifandray amin’ny fitrandrahana zavaman’aina voaaro, Ady amin’ny famotsiam-bola sy ny asa fampihorohoroana.

➡ Ireo taranja ireo dia tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fandaharam-pampianarana hoan’ny mpianatra ho mpitsara ary vokatrin’ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fitsarana niaraka tamin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy, ny WWF, ny Birao Maleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly, ny SAMIFIN, ny TRAFFIC sy ny manam-pahaizana manokana mahakasika ny lohahevitra.
Ireo taranja ireo dia voarakitra anaty boky ka ho zaraina amin’ireo mpianatra ho mpitsara. Izany no tontosa dia noho ny fanohanan’ny vahoaka amerikana (USAID).