Posted in Actualités

FIARAHA-MIASAN’NY MINISITERAN’NY FITSARANA SY NY AFD: HITARINA SADY HATSARAINA NY FONJAN’I MANJAKANDRIANA.

📌Ny Alakamisy faha-15 Jona 2023, no nametrahana ny vatofototra amin’ny fanitarana sy fanatsarana ny Fonjan’i Manjakandriana. Famatsiambola avy amin’ny AFD, amin’ny alalan’ny Tetikasa PAJMA no hanaovana ny fanatsarana sy fanitarana, ka vola mitentina 2 Miliara Ariary no natokana amin’izany.Manaraka ny fomba maoderina sady manaja ny tontolo iainana ny Fonja vaovao vao hatsangana, ary biriky, tsy misy fihatraikany amin’ny tontolo iainana no hanaovana ny fanorenana.

⭕️ Nandritra ity lanonana nametrahana ny vatofototra ity no nanambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politikam-panjakana voalaza ao anatin’ny Velirano, sy ny lamin’asa vaovao napetrany hitondrana ny Minisitera ny fanavaozana sy fanitarana fotodrafitrasa toy izao satria sady singa iray manamafy ny fiarovana ny zon’olomnelona no singa iray ahazoana manamafy ny ady amin’ny kolikoly ihany koa. Andriamatoa Yves GUIQUERO, Talen’ny AFD tetsy an-kilan’izay dia namelabelatra ireo tetikasa goavana iarahany miasa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny tombontsoa haterak’izany fiaraha-miasa izany.

📍Marihana fa ny fahavitan’ny fanatsarana sy fanitarana ity Fonjan’ny Vehivavy eto Manjakandriana ity dia ahafahana mamindra ireo Voafonja sasany avy ao Antanimora. Marihana fa afaka enimbolana eo ho eo dia Fonja maoderina no ho hita eto Manjakandriana.

Posted in Autres Evenements

Fampiofanana mitohy ho an’ireo infirmiera.

📌Alarobia 14 jona 2023. Tontosa teto Mahajanga ny fiofanana andiany fahatelo tamin’ilay “Fampiofanana mitohy” (na formation continue) nomena ireo Infirmiera Mpandraharahan’ny Fonja taty amin’ny ilany Andrefana sy Avaratry ny nosy.

➡️Toy ny tany Toamasina sy Toliara ihany dia naharitra 8 andro ny fiofanana ka 23 mianadahy ireo izay nisitraka ny fampiofanana tamin’izany, izay avy any amin’ny faritra BETSIBOKA, BOENY, SOFIA, DIANA, SAVA ary MELAKY.

📍Tsara ho marihina fa efa nisy fiofanana roa natao talohan’izao ka ny andiany voalohany dia natao tany Toamasina nahitàna mpiofana 45, ny faharoa dia tany Toliara nahitàna mpiofana 23 ary ny fahatelo dia izao eto Mahajanga izao. Arak’izany dia nahatratra 91 ireo Infirmiera mpandraharahan’ny fonja nisitraka ny fiofanana manerana ny nosy ary samy notolorana Mari-pahaizana tsirairay avy izy ireo.

☑️ Izany rehetra izany no tontosa dia noho ny tetik’asa MIKOLO AINA tarihin’ny “Douleurs Sans Frontières”, iray amin’ireo tetik’asa 3 arindra eo anivon’ny Fandaharan’asa FANARENANA eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana izay nahazahoana famatsiam-bola avy tamin’ny Agence Française de Développement. Tsara ho fantatra ihany koa fa ny fampiofanana rehetra natao dia nivondronan’ireo mpampiofana matianina avy ao amin’ny DIFP/Ministeran’ny Fahasalamabahoaka, ny Vokovokomena Malagasy ary koa ny lehiben’ny sampandraharahan’ny fahasalaman’ny voafonja (SSPD) ao amin’ny DHDPRS/MinJus.

➡️Izany rehetra izany no natao dia mba ho fanatanterahana ny velirano faha 5-n’ny Filoham-pirenena « Fahasalamana ho an’ny rehetra, sy ho amin’ny taona rehetra ».

🔴Izao ihany koa dia ho fanatrarana ny tanjon’ny Ministeran’ny Fitsarana : « actions 174 et 175 » izay mikendry ny fanatsarana hatrany ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja, amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana mitohy manaraka ny fiovan’ny teknika fandraisana marary sy ny filan’ny tolotra ara-pahasalamana, ho an’ireo voafonja.

Posted in Actualités

Fonjaben’Antanimora:Nampitahaina ny isan’ny voafonja sy ny lisitra avy amin’ny Fitsarana.

📌 Alarobia 14 Jona 2023. Dingana tsy maintsy hatao, mialohan’ny fampiharana ny paikady fanafainganana ny raharaham-pitsarana ny fampitahana ny isan’ny voafonja amin’ny lisitra avy any amin’ny Fitsarana. Nanatanteraka izany tao amin’ny Fonjaben’ Antanimora ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, niaraka tamin’ireo Mpitsara avy amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, notarihan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna, ireo Mpitsara avy amin’ny Fitsarana Ambony, Fitsarana Fandravana ary ny PAC.

⭕ Ny isa nomen’ny teo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja sy ny isan’ny voafonja hita maso no namarinina tamin’ny lisitra nivoaka avy any amin’ny Fitsarana, mba hahazoana isa marina, araka ny sokajiny avy dia ireo voafonja efa voatsara, ireo nampiakatra amin’ny Fitsarana Ambony, ireo nampiakatra amin’ny Fitsarana Fandravana didy, ary ireo Voafonja mbola tsy voatsara mihintsy.

➡ Tanjona ny hampakarana ny tahan’ny voafonja voatsara ary fampidinana ny tahan’ny voafonja mbola tsy voatsara, araka ny fenitra iraisam-pirenena.

🔹 Izany dia fampiharana ny Politikam-panjakana amin’ny ady hatao amin’ny kolikoly sy ny Fitsarana tsy mitanila ary ny Fitsarana manakaiky vahoaka.

🎤 Indro ny teny fohy nifanaovana tamin’ny Minitry ny Fitsarana.

Posted in Autres Evenements

AFAP « Association des Femmes de l’administration Pénitentiare »:Tanteraka ny fivoriana voalohany tamin’ny taona 2023 ity.

📌 Ny Zoma 09 Jona 2023, teto Soavimbahoaka no nanaovana ny fivoriana voalohany, niarahan’ny Vehivavy Mpandraharahan’ny Fonja sy ny Fikambanan’ny Vehivavy vadin’ny Mpandraharahan’ny Fonja.

➡ Ankoatry ny dinidinika natao hanatsarana ny fifandraisana sy ny Fikambanana, dia tamin’io andro io ihany koa no nanaovan’izy ireo ny fanamarihana ny fetin’ny Reny. Tamin’ny endrika fitsangatsanganana no nanatontosana ity fihaonana voalohany, ho an’ny taona 2023 ity.

Posted in Actualités

FAMPIHARANA NY POLITIKA NAPETRAKY NY MINISTRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA:TRATRA NY MPIJIRIKA.

📌 Nanomboka ny Alatsinainy 12 sy ny Talata 13 Jona 2023, mpijirika roa sahady no tratra. Maka vola amin’ny manan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana izy ireo, ary milaza fa mahavita mamoaka gadra any am-ponja. Betsaka ny efa lasibatra tamin’izany ka nanao velam-pandrika nisamborana ireo Mpijirika ireo ny Filohan’ny Fitsarana, ny Tonia Mpampanoa Lalàna sy ny Lehiben’ny Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo.

☑ Fiaraha-miasa tamin’ny Mpitandro ny filaminana no nahazoam-bokatra, nohon’ny fampiharana ny paikady napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, mba hamerenana indray ny fahatokisan’ny Vahoaka ny tontolon’ny Fitsarana eto Madagasikara.