Posted in Actualités

Tetikasa Fiara Zo, notanterahina tao Foulpointe.

📌Alatsinainy faha 24 Jolay 2023, fihaonana tamin’ny Vahoakan’i Foulpointe. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD, amin’ny alalan’ny tetikasa Fiara Zo.

➡ Nampahafantarina ny Vahoaka ireo zo sy lalàna misy sy ireo navaozina.

⭐Nitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, notronon’ny Mpitsara, Mpirakidraharaha, Mpisolovava (avocat), Vaditany (huissier)ary Mpiraki-teny mpanoto-soratra (Notaire). Hipoka vahoaka ny toerana nanaovana ny fanazavana sy ny adihevitra, ary nanova ny fomba fijery amin’ny fanantonana birao sy fitsarana. Tratra ny tanjona amin’ny Fitsarana manakaiky vahoaka.

Nanome voninahitra ny fihaonana ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan’ambaratonga.

🔎 Indro arahintsika ny tafatafa nifanaovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ny Mpanao gazety teny an-toerana nandritra izany FIARA ZO izany.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny biraon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teny Faravohitra ny delegasionan’ny ao amin’ny ESAAMLG (Eastern and Southern Africa Anti-Money Laundering Group) mikasika ny fandrindrana ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiana ny asa fampihorohoroana eto Afrika, ary manome tosika mivantana ireo firenena mpikambana ao aminy.

📌 Tombony lehibe ho an’i Madagasikara tokoa izany hoe tafiditra ao anatin’ny fikambanana ESAAMLG izany fa indrindra fa ny fandalovan’ireo delegasiona ireo eto an-toerana.

Posted in Actualités

VITA SONIA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY OIF (ORGANISATION INTERNATIONALE DE LA FRACOPHONIE). HANOMBOKA NY FANOMEZANA SORA-PIANKOHONANA HO AN’NY ANKIZY.

Alarobia faha 19 Jolay 2023, teto amin’ny Biraon’ny OIF Antaninarenina, nosoniavina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny OIF. Tohanan’ny OIF ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fanaovana Fitsarana mitety vohitra, hanomezana  » jugement supplétif » ho an’ny ankizy miisa 4.000, mba hisitrahan’izy ireo Sora-piankohonana.

Ny Kaominina 10 ao anatin’ny Faritra Itasy no hanombohana ny Fiaraha-miasa mikasika izany.
📌Nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa zava-dehibe eo amin’ny fiainana maha-olona izao fanohanana avy amin’ny OIF izao satria ny fanomezana sora-piankohonana dia fototry ny fanajana ny zon’olombelona, noho izy ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny fidirana an-tsekoly, hatramin’ny fahazoana kara-panondro. Ny Masoivoho, Solotena maharitry ny OIF Misahana ny Ranomasimbe Indiana, Atoa Léonard Emile Ognimba dia nanamafy hatrany fa hotohizana izao fiaraha-miasa izao satria anatin’ny fandaharan’asan’ny OIF ny tetikasa Sora-piankohonana, izay manome lanja ny demokrasia, ny tany tan-dalàna ary ny fiarovana ny zon’olombelona.

Nanatrika ity fanaovan-tsonia ity ny kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Ben’ny Tananan’Itasy.

🎥 Araho eto ny resaky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ny mpanao gazety tonga teny an-toerana.

Posted in Autres Evenements

FIARA ZO, FITSARANA MANAKAIKY VAHOAKA

Anjaran’ny Foulpointe sy Fenoarivo Atsinanana indray izao no handray ny « Fiara Zo ».
📌 Ny 24 jolay 2023 ao Foulpointe ;
📌 Ny 26 jolay 2023 ao Fenoarivo Atsinanana.

Posted in Actualités

LEHIBEN’NY MPIRAKIDRAHARAHA AMIN’NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY MANERANA NY MADAGASIKARA.

📌 Alakamisy faha 13 Jolay 2023, teto amin’ny Hôtel Le Pavé Antaninarenina, hatrikasa nandinihana ny olana fototra sy ny fomba entina manatsara ny fomba fiasa no natrehin’ny Lehiben’ny Firaketandraharaha amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany manerana an’i Madagasikara. Nanatrika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary namariparitra ny maha-zavadehibe ity fihaonana ity, izay hita soritra fa hanova zavatra betsaka eo amin’ny tontolon’ny asa iandraiketan’ ny Mpirakidraharaha.

⭐ Nandray anjara tamin’ny atrikasa ihany koa ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpirakidraharaha eto Madagasikara sy ireo Birao miara-miasa aminy.