Posted in Autres Evenements

MANOLOANA NY RESAKA MIKASIKA NY FONJAN’I MANANJARY DIA MITONDRA NY VAOVAO FARANY NY TALE JENERALIN’NY FANDRAHARAHANA NY FONJA.

Posted in Actualités

FONJABEN’AMBOSITRA.

📌Talata 01 Aogositra 2023, tamin’ny fandalovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana eto Ambositra dia tsy hainy ny nandalo fotsiny ihany fa dia nanolotra fanomezana ho an’ireo voafonja eto amin’ny Fonjaben’Ambositra izy ho fanampiana azy ireo; masinina fanjaraina, fanafody, savony, baolina, vilany, lafaoro, lafarina, vary ary vaomaina,

➡ Ao anatin’ny velirano faha3 napetraky ny fitondram-panjakana izay fanajana ny zon’olombelona no nanaovana izao indrindra amin’ny fampiana azy ireo amin’ny fiverenany eo anivon’ny fiaraha-monina indray mba tsy ho vesatra amin’ny fiaraha-monina.

🎥 Taorian’izay dia namaly ny mpanao gazety ny Minisitra mahakasika ny fonja manara-penitra, ny mahakasika ny hetahetan’ny voafonja fa indrindra ny tohin’ny raharaha nahakasika fiparitahan’ny laza adina Bacc 2023

Posted in Actualités

AMBATOFINANDRAHANA : NAPETRAKA NY VATO FOTOTRY NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY.

📌Alatsinainy 31 jolay 2023, tontosa ny fametrahana ny vato fototra voalohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Ambatofinandrahana. Manao ezaka hatrany ny fitondram-panjakana manorina fotodrafitrasa manara-penitra ho an’ny vahoaka, ary ao anatin’ny fanatanterahana ny vina « Fitsarana manakaiky vahoaka » ihany koa izao. Hanala ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’ny fikarakarana raharaham-pitsarana samihafa ity fotodrafitrasa izay eo andalam-pananganana ity satria dia tsy voatery handeha lavitra intsony ny vahoakan’Ambatofinandrahana sy ny manodidina.

⭐Nitarika ny fametrahana ny vato fototra ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana notronin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ireo olomboafidy sy olomboatendry eto amin’ny Distrikan’Ambatofinandrahana sy Ambositra.
Vinavinaina ho vita ao anatin’ny 4 volana ny fotodrafitrasa.

➡️Tao aorian’izay moa dia nisy ny fitokanana ny biraon’ny solombavambahoaka teo an-toerana.

📎 Taorian’izay ihany koa dia nisy ny fitokanana ny biraon’ny solombavambahoaka ao an-toerana.
🎥 Indro ny famintinana.

Posted in Actualités

ASSOCIATION DES FEMMES DE L’ADMINISTRATION PÉNITENTIAIRE.

📌Nanomboka ny Sabotsy 29 Jolay 2023, efatra andro no nanatanterahana ny
Zaikaben’ny A.F.A.P. »Vehivavy mijoro ho Fampandrosoana ny Ankohonana sy ny Firenena » no lohahevitra nentina nanatontosana izany. 500 mahery ireo Vehivavy Mpandraharahan’ny Fonja sy ny Vadin’ny Lehilahy Mpandraharahan’ny Fonja nandray anjara ka filaharambe namakivaky ny tananan’i Mahajanga no nanokafana azy.

➡️ Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana dia nanamafy fa Taratra ny firaisan-kina ao anatin’ny asa, ary mendrika ho tohanana ny hetsika nataon’ny AFAP. Nambarany fa masina ny asan’ny Mpandraharahan’ny Fonja satria sady fanabeazana no antoky ny fandriam-pahalemana.

⭕Nisongadina tamin’ny hetsika ny fampirantiana ny asatanana vitan’ny Voafonja sy ny Vehivavy vadin’ny Mpandraharahan’ny Fonja ary ny Vehivavy Mpandraharahan’ny Fonja. Nitsidika izany ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary namporisika hatrany ny rehetra mba hampitombo ny ezaka efa vita. Nandritra izany ihany koa no nitsidihana ny Fonjan’ny Vehivavy eto Mahajanga, ary nanoloran’ny Minisitra sy ny AFAP tohana ara-pitaovana sy ara-tsakafo ho azy ireo. Taorian’izay dia nanome vatsin-dalana ho an’ny AFAP ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

Fitsarana Manokana Iadiana amin’ny Kolikoly (PAC)Ambaratonga Voalohany Mahajanga:Lanonam-pitsarana menetriketrika.

📌 Zoma faha 28 Aprily 2023. Tao anatin’ny lanonam-pitsarana manetriketrika no nametrahana an-dRamatoa RANDRIAMAHEFARILALA Rindra Harizo eo amin’ny toeran »ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Manokana Iadiana amin’ny Kolikoly Ambaratonga Voalohany eto Mahajanga.

📝 Teboka telo no napetrany hitantanana ny Fampanoavana :
▶️ fampiharana ny lalàna ho an’izay meloka ary tsy misy an-kanavaka ;
▶️ fanafainganana ny raharaham-pitsarana ao anatin’ny fahamalinana tanteraka ;
▶️ fanajana ny zon’ny mpitory sy ny toriana.

📌 Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nanome voninahitra ny lanonana dia nitondra fanazavana ny asa sy ny andraikitry ny PAC izay manana ny mampiavaka azy amin’ny sampam-pitsarana hafa. Nohamafisiny fa tsy ho ela dia hisokatra ihany koa ny Fitsarana Manokana Iadiana amin’ny Kolikoly ao Fianarantsoa.

🔹Marihana fa banga nandritra ny roa taona sy tapany ny toeran’ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny PAC Mahajanga.
Nanatrika ity lanonana ara-pitsarana manetriketrika ity, ireo Manam-boninahitra Sivily sy Miaramila avy eto Mahajanga sy avy amin’ny Faritany hafa.