Posted in Autres Evenements

ANDRO FAHADIMIN’ NY LALAON’NY NOSY SADY FAMARANANA NY TARANJA LOMANO : MITOMBO HATRANY NY MEDALY AZON’NY MALAGASY.

📌Alarobia faha 30 Aogositra 2023, dobo filomanosana eto Vontovorona, nampitombo ny ezaka vitany ny Mpilomano Malagasy, na dia mafy ihany aza no niatrika ny Mpifaninana.

✅ Nahazo medaly 2 indray izy ireo. Medaly Volamena iray teo @ 50m « Nage libre Paranatation » tamin’ny alalan’i « Bon Temps Avizara ».
Medaly Alimo teo amin’ny « 400m relais mixte ».
Ity ihany koa no andro farany ho an’ny fifaninanana Lomano tamin’ ity lalaon’ny Nosy 2023 ity.

⭕Nanolotra fanomezana, ho mari-pisaorana ireo « coach » ny ekipam-pirenena Malagasy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay Mpiahy ny Taranja.

Posted in Autres Evenements

ANDRO FAHA-EFATRY NY LALAON’NY NOSY : MBOLA NAHAZO MEDALY HATRANY NY MPILOMANO MALAGASY.

📌 Talata faha 29 Aogositra 2023, dobo filomanosana eto Vontovorona,
Hatramin’izao dia nahavita ezaka goavana ny Mpilomano Malagasy, raha oharina amin’ny ekipam-pirenena hafa. Na mafy aza mantsy ny mpifaninana dia mbola mandrombaka Medaly hatrany ny solotenan’i Madagasikara amin’ny Taranja Lomano. Medaly volamena iray azon’i RAHARVEL Jonathan, Medaly Volafotsy iray azon’i RAMIAKATRARIVO Francky, Medaly alimo iray azon’i RABEJAONA Holy Hantsa. Marihana fa mbola hisy ny fifanintsanana rahampitso Alarobia faha 30 Aogositjra, mbola eto amin’ny dobo filomanosana eto Vontovorona ihany.

Posted in Actualités

TONGA NITSIDIKA NY TOERANA HITOBIAN’NY EKIPA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA MINISITRY NY FITSARANA.

📌Alahady 06 Aogositra 2023, Tonga teto amin’ny trano hitobian’ny C2S, ekipan’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Niresaka sy nifanakalo hevitra tamin’ny Mpilalao sy ny Mpanazatra ary ny tompon’andraikitra, nitso-drano azy ireo mba hahita fahombiazana amin’ity Fanatanjahan-tena Iraisan’ny Minisitera sy ny Andrim-panjakana ity, ary nanolotra rano sy sakafo mampatanjaka ho azy ireo.

➡️ Ankoatr’izay dia noraisin’ny Minisitra an-tanana ny sandan’ny fampihatranoana ireto Mpilalao avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ireto.Nankasitraka izao fahatongavan’ny Minisitra izao ny IAP Hery Danny MALAZA, mpitantana ny sampana fanatanjahan-tena eo avivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Nambarany fa hatramin’izay dia mbola tsy nisy Minisitry ny Fitsarana, tonga mitsidika ary manohana ara-tsaina sy ara-tsakafo
ny Mpanao fanatanjahan-tena, hatramin’ izay nisian’ny ASIEF izay.

Miisa zato izy ireo no mandray anjara amin’ny fifaninanana ara-panatanjahan- tena atao eto Toamasina.
⭕Ankoatr’izay, amin’ny maha- Loholona teo aloha azy, dia nanolotra fanohanana ho an’ny Ekipan’ny Antenimieran-doholona ihany koa ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary nirary azy ireo hahita fahombiazana amin’ izao lalao ara-panatanjahan-tena izao. Ho an’ny Antenimieran-doholona dia miisa 75 ny Ekipa mandray anjara.

ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) :
NANDRAY ANJARA NY MPIKAMBANA EO ANIVON’NY GOVERNEMANTA.
🎥 Manasa anao hanaraka izany.

Posted in Autres Evenements

FANATANJAHAN-TENA IRAISAN’NY MINISITERA SY NY ANDRIM-PANJAKANA.

📌Sabotsy 05 Aogositra 2023, niatrika ny fifaninanana ho an’ny Taranja Basket ny Ekipan’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Nijery ny lalao hatramin’ny farany, ary nankahery ny Mpilalao hatrany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Mandritra ity Fanatanjahan-tena Iraisan’ny Minisitera sy ny Andrim-panjakana ity, mandray anjara amin’ny taranja telo ny Ekipan’ny Minisiteran’ ny Fitsarana: Basket, foot ary pétanque.

Posted in Actualités

SAINTE MARIE: MISOKATRA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY.

📌Zoma faha 04 Aogositra, miasa avy hatrany ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Sainte Marie. Tanteraka ny Politikan’ny Fanjakana, mikasika ny Fitsarana manakaiky vahoaka satria, hatramin’ izay dia mihatrika olana hatrany ny Mponin’i Sainte Marie, rehefa misy raharaha ilaina satria tsy maintsy mamonjy an’i Fenerive Est.

👉Napetraka tamin’ny toerana maha- Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Sainte Marie Ramatoa DAMA Jeannette Sylvana.

👉Napetraka tamin’ny toerana maha-Tonia Mpampanoa Lalàna eto Sainte Marie kosa i Ramatoa BEZAVAVY Lydie Christianna.

⭕Izy ireo dia samy nanamafy ny fampiharana ny Fitsarana tsy mitanila, miady amin’ny kolikoly ary ny Fitsarana manakaiky vahoaka.
Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana izay nanatrika ny fametrahana azy ireo dia nanentana ny olona mba tsy ho voasarika amin’ny Fitsaram-bahoaka, izay fihetsika voararan’ny lalàna. Namafisiny fa mihaino ny Fitarainan’ny olom-pirenena rehetra ny Minisiteran’ny Fitsarana, ary misy ny rafitra isan’ambaratonga azo hitondrana izany.

⭐Nanome voninahitra ity lanonam-pitsarana manetriketrika ity ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Fianakaviamben’ny Fitsarana avy ao Toamasina, Fenerive Est, Maroantsetra ary Mahajanga, niaraka tamin’ireo olo-manankaja Sivily sy Miaramila.

🎥 Manasa antsika ary hanaraka ny fanazavana nentin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto amin’ny Nosy Bora.