Posted in Actualités

LAPAN’NY FITSARANA ANOSY: TONGA TAMPOKA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA, NISY NY FIVORIANA NIARAHANA TAMIN’NY TOMPON’ANDRAIKITRA.

📌 Alatsinainy faha -11 Septembra 2023, tonga tampoka teto amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nanadihady ny fomba fiasa, nanao tombana ny fanatanterahana ny paikady napetraka ho fanafainganana ny raharaham-pitsarana.
Taorian’izay dia nisy ny fivoriana fandaminan’asa niarahany tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Fitsarana Tampony, ny Fitsarana Ambaratonga Ambony ary ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany.

⭕Marihina fa tena mandroso ny fananganana ny trano vaovao eto anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Anosy, nitsidika izany ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

MINISITERAN’NY FITSARANA : NIHAONA TAMIN’NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA NY  » CONSUL HONORAIRE » AN’I BELGIQUE.

📌 Alakamisy faha 07 Septembra 2023, tonga teto amin’ny Biraon’ny Minisiteran’ny Fitsarana eto Faravohitra Andriamatoa Charles Van Der Straeten, « Consul honoraire » an’i Belgique, nihaona tamin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.

⭕ Nandritra izany no namoaboasan’ny Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny teboka napetrany ho fanatanterahana ny politikam-panjakana mikasika ny fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana. Teo ihany koa ny fifampiresahana manodidina ny fomba entina manamafy ny fiaraha-miasa.

Posted in Actualités

FIFARANAN’NY LALAON’NY NOSY: NANOLOTRA MARI-PAHATSIAROVANA HO AN’NY EKIPAN’I SEYCHELLES NY MINISITRY NY FITSARANA.

📌 Talata 05 Septambra 2023,teto amin’ny Ibis Hôtel, medaly no natolotry ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ho an’ny ekipan’i Seychelles, izay nandray anjara tamin’ny lalaon’ny Nosy, ho mari-pahatsiarovana.

➡Ny Minisiteran’ny Fitsarana mantsy no nikarakara ireto Delegasiona avy amin’ny Nosy Seychelles ireto nandritra ny fotoana nanatanterahana izany, ary tsapa fa nirindra araka ny lamina napetraka ny fandraisana azy ireo, na teo amin’ny trano na teo amin’ny sakafo na teo amin’ny fitaterana.

✅Faly noho izany fandraisana andraikitra izany ny Delegasiona avy amin’ny Nosy Seychelles, indrindra tamin’izao fanolorana mari-pahatsiarovana izao.

Posted in Actualités

LALAON’NY NOSY: NAHAZO FANKASITRAHANA AVY AMIN’NY MINISITRY NY FITSARANA IREO EKIPAN’NY LOMANO MALAGASY.

📌 Alatsinainy 4 Septambra 2023, hotely Sooatel , nanolotra medaly ho fankasitrahana ireo atleta sy ireo mpanazatra nandray anjara tamin’ny taranja lomano nandritra ny lalaon’ny Nosy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana niaraka tamin’ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Izany dia toromarika avy amin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, noho ireto Mpilomano Malagasy ireto nanao ezaka niarovana ny voninahim-pirenena, nandritra ny fanatanterahana ny lalaon’ny Nosy.

⭕ Nanamafy ny Minisitry ny Fitsarana fa mila tohizana hatrany izany ezaka izany satria mbola betsaka ny fanamby ho tratrarina, na efa vita aza ny lalaon’ny Nosy tamin’ity taona 2023 ity.

🎥 indro arahintsika ny laha-teny sy ny hafatra napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

FANAMARINANA ZO-PIRENENA.

📆 31 août 2023.
🎤 NITONDRA FANAZAVANA ARAKA NY LALANA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA R/TOA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

🎥 Manasa antsika hanaraka izany.