Posted in Actualités

AMBILOBE: MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY.

⚖️AMBILOBE: MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY. TAFAPETRAKA NY FILOHA SY NY TONIA MPAMPANOA LALANA. NANATRIKA NY LANONANA ARA-PITSARANA NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

📌Zoma faha -10 Novambra 2023, Fitsarana Ambaratonga Voalohany Ambilobe, napetraka ho Filoha Ramatoa RASOARIVELO Nirina, napetraka ho Tonia Mpampanoa Lalàna kosa Andriamatoa TOZARA Constant. Efa mandray ny asany avokoa ireo Mpiasa rehetra hampandeha ny raharaha eo anivon’ity Fitsarana vaovao, natsangan’ny Fanjakana ity. Ny Alatsinainy ho avy izao dia efa azon’ny vahoakan’ Ambilobe hanatonana araka ny fanentanana izay nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary nohamafisiny fa tsy misy very akory ny raharaha izay nentina tany Antsiranana fa efa voafindra eto Ambilobe avokoa ny fanohizana izany ho an’ny Mponina eto.

⭕Raha ny fantatra mantsy dia ny 31 isan-jaton’ny ady madio sy ny 35 isan-jaton’ny ady heloka nandalo tao Antsiranana dia avy teto Ambilobe avokoa. Afa-pahasahiranana arak’izany ny Mponina, na eo amin’ny lafiny fivezivezena na eo amin’ny lafiny ara-bola, nohon’ny saran-dalana, indrindra amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana, izay miankina amin’ny Fitsarana. Nanatrika ny Fitsarana manetriketrika ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tokony, na olom-boafidy na olom-boatendry.

🎥 Manasa antsika hanaraka izany

Posted in Actualités

FANANGANAN-TSAINA TETO AMIN’NY MINISTERAN’NY FITSARANA.

⚖🇲🇬FANANGANAN-TSAINA TETO AMIN’NY MINISTERAN’NY FITSARANA, NITARIKA NY FOTOANA NY MINISTRY FITSARANA.
📌 Alatsinainy 06 novambra 2023, ho fanomezam-boninahitra ny firenena dia nanantanteraka fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ny Mpiara-miasa rehetra, nitarika izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

⭕ Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Minisitra dia nilaza izy fa tokony ho hafainganina sy faranana alohan’ny faran’ny taona ireo asam-pitsarana rehetra, ary nanome toromarika amin’ny hanamafisana ny fitandroana ny filaminana eo anivon’ny Fonja, tsy ho an’ Antanimora ihany fa manerana an’i Madagasikara.

Posted in Autres Evenements

FONJABEN’ANTANIMORA.

FONJABEN’ANTANIMORA, VOASAMBOTRA ILAY VOAFONJA NIKASA HANDOSITRA

📌Alahady 5 novambra 2023, tamin’ny 1 ora atoandro dia nisy voafonja iray nikasa handositra nisaoty tamboho tao amin’ny Fonjaben’Antanimora. Tsy lasa lavitra anefa dia voasambotry ny Mpandraharahan’ny fonja ary tao anatin’ny folo minitra dia niverina tamin’ny laoniny ny filaminan’ny fonja.

Voafonja efa nandositra teny amin’ny polisy izy io ary resaka halatra tsotra na « vol simple » no nampidirana azy teto amin’ny Fonjamben’Antanimora.

image

Posted in Autres Evenements

FANAMAFISANA NY FAHAIZANA SY NY FAHAIZA-MANAON’NY MPITSARA MIASA AO AMIN’NY FITSARANA IADIANA AMIN’NY KOLIKOLY.

📌Ny talata 31 oktobra 2023 ka hatramin’ny zoma 03 novambra 2023, tao Antsiranana, no notontosaina ny fampiofanana ireo Mpitsara miasa eo anivon’ny Fitsarana Iadiana amin’ny Kolikoly (PAC) ao Mahajanga, ny ampahan’ireo Mpitsara ao amin’ny Fitsarana Iadiana amin’ny Kolikoly (PAC) eto Antananarivo, ireo Mpitsara ao amin’ny Fitsarana Ambony sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antsiranana, ka ny fitantam-bolam-panjakana sy ny tsenam-barom-panjakana no lohahevitra tamin’izany. Ny Sekoly Ambony Mampiofana ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG) no nikarakara sy nandrindra izany fampiofanana izany.

⭕ Talohan’io fampiofanana io, dia efa nisy fiofanana nokarakaraina mikasika io lohahevitra io ihany, ny talata 22 aogositra hatramin’ny zoma 25 aogositra 2023 tany Toamasina ka nandray anjara tamin’izany ireo Mpitsaran’ny PAC Antananarivo, ny ampahan’ireo Mpitsaran’ny PAC Mahajanga, ny Mpitsara miasa eo anivon’ny Fitsarana Ambony sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Toamasina.

➡Ny tanjon’ireo fampiofanana ireo dia ny fanamafisana ny fahaizana sy ny fahaiza-manao an’ireo Mpitsara voalaza ireo mba hahatsikaritra avy hatrany ny fandikan-dalàna sy ny tsy fahatomombanana mikasika ny fitantam-bolam-panjakana sy ny tsenam-barom-panjakana. Novelabelarina nandritra izany ny fitantanana ny teti-bola, ny paik’ady manokana momban’ny haikaotim-panjakana sy ny tahirim-bolam-panjankana, ny fanatanterahana ny fampiraharaham-barotra ifanaovana amin’ny fanjakana, ny fandaniana ny volam-panjakana, ny mpiantsehatra amin’ny tsenam-barom-panjakana, ny sampam-pitsarana mahefa mikasika ny ady amin’ny resaka tsenam-barom-panjakana. Izany indrindra dia natao hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny asam-pitsarana sy ny didy izay havoaka.

✅ Ireo fampiofanana ireo dia tontosa nohon’ny fanohanana ara-bola an’ny Programme des Nations-Unies pour le Développement (PNUD) amin’ny alalan’ny tetikasa « Renforcement des Capacités Institutionnelles pour la Promotion de l’Etat de Droit » (RCIPED).

Posted in Actualités

Fanazavana araka ny lalàna, mahakasika ny famoriam-bahoaka.

📌 Zoma 03 novambra 2023, nitondra fanazavana, araka ny lalàna, mahakasika ny famoriam-bahoaka sy hetsika an-kalamanjana na an-dalam-be tao amin’ny biraony teny Faravohitra, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANENASOA Landy Mbolatiana.

🎥 Manasa antsika ary hanaraka izany manontolo.