Posted in Actualités

TENDROM-PITSARANA MISAHANA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY AMBARATONGA FAHAROA.

TENDROM-PISTARANA MISAHANA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY AMBARATONGA FAHAROA : NAPETRAKA TAMIN’NY TOERANY NY FILOHA SY NY TONIA MPAPANOA LALANA.NANATRIKA NY LANONANA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISTRY NY FITSARANA.

📌 Zoma faha 06 Oktobra 2023, eto amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly 67ha, taorian’ny fandraisana ny fihanianana, dia napetraka tamin’ny toeran’ny Filohan’ny Fitsarana Mpamoaka didy eo anivon’io sampam-pitsarana io Ramatoa RAMBELO Volatsinana Sahoby, napetraka ho Tonia Mpampanoa Lalàna kosa Ramatoa RASOAHANTA Elysée.

🎯 Mifototra amin’ny politika ankapobeny napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana mikasika ny fanatsarana ny fandraharahana eo anivon’ny Fitsarana ny fomba fiasa ho tanterahan’izy ireo, indrindra ny fanamafisana ny ady atao amin’ny kolikoly izay antom-pisian’ity sampam-pitsarana ity.
Efa mipetraka mantsy ny politikam-panjakana amin’ny ady atao amin’ny kolikoly dia ny « tolérance zéro » izay mihatra amin’ny rehetra tsy misy an-kanavaka. Hampiharina ny fanentanana ny olom-pirenena handray andraikitra sy ho sahy hitoroka, fampahafantarana ny olona ny eloka sahanin’ny PAC,
efa misy ihany koa ny rafitra misahana ny fangejana ny fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna, izay tena zava-dehibe manampy amin’ny famongorana ny kolikoly eto Madagasikara.

🔵 Nanatrika ity lanonam-pitsarana manetriketrika ity ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, sy ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga ara-pitsarana ary ireo olo-manankaja sivily sy Miaramila.

Posted in Actualités

FIROSOANA AMIN’NY FIFIDIANANA.

NY FIROSOANA AMIN’NY FIFIDIANANA NO LALAN-TOKANA AHAFAHANA MIDITRA AMIN’NY ARA-DALÀNA SY HO FANAJANA NY LALAM-PANORENANA.

📌 Zoma 06 oktobra 2023, Ny firosoana amin’ny fifidianana ihany no lalan-tokana ahafahana miditra amin’ny ara-dalàna sy ho fanajana ny Lalam-panorenana, ary mandritra ny fampihelezan-kevitra dia zo ny mamory vahoaka na an-kalamanjana izany na an-dalambe ary ao anatin’ny fanajana ny lalàna fehizoro.

🎥 Manasa antsika ary hanaraka manontolo izany fanazavana nentin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana izany.

Posted in Actualités

FITSARANA TAMPONY.

FITSARANA TAMPONY : NORAISINA NY FIANIANAN’NY FILOHA VOALOHAN’ NY FITSARANA AMBONIN’ANTANANARIVO SY IREO MPITSARA EO ANIVON’NY PAC ANTANANARIVO.

📌Alakamisy 05 Octobra 2023, noraisina teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony ny fianianan’ny Filoha voalohan’ny Fitsarana Ambony eto Antananarivo, R/toa LIVAHARISOA Rakotomanga Liliane sy ny Lehiben’ny fitsarana mpamoaka didy eo anivon’ny fitsarana ambaratonga faha-roa eo anivon’ny PAC Antananarivo, R/toa RAMBELO Volatsinana Sahoby ary ny Lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga faha-roa eo anivon’ny PAC Antananarivo, R/toa RASOAHANTA Elysée.

➡Ho hapetraka amin’ny toerany rahampitso ireo mpitsara eo anivon’ny PAC Antananarivo.

⭐Nanatrika sy tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Autres Evenements

RÉUNION TECHNIQUE DE CAPITALISATION DU PAJMA.

📌 Les 4 et 5 octobre derniers, sous l’égide de Mme le Secrétaire Général, les directions du Ministère de la Justice se sont réunies avec l’AFD pour préparer la capitalisation du Projet d’Appui à la Justice à Madagascar.

➡️ La capitalisation portera sur sept thématiques :
– la sécurisation des concours de l’ENMG et de l’ENAP
– le renforcement institutionnel des deux écoles
– l’accessibilité de la Justice et l’accès au droit
– l’amélioration des conditions de travail du personnel pénitentiaire et des conditions de vie des personnes détenues
– l’informatisation du Ministère de la Justice
– la mobilisation de ressources pour le secteur Justice
– le pilotage de projet

🎯 Durant la réunion, des fiches de partage d’expériences sur ces différentes thématiques ont été présentées afin de mettre en avant les bonnes pratiques identifiées, les difficultés rencontrées et les résultats obtenus par le projet.

Cette réunion précédera les évènements de capitalisation qui auront lieu début 2024.

Posted in Actualités

FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA.

FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA : NASIANA NY VARAVARANA MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA.

Zoma 29 Septambra 2023, nahitam-bokatra ny fikaonandoha notanterahin’ny Mpitsara misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana, izay notanterahina teto Toamasina.

🎯 Nilaza ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa hatao fomba fiasa, ary hampiharina avy hatrany ireo hevitra nivoitra nandritra ny telo andro nanaovana ny fikaonandoha. Hita ny lesoka eo am-panatanterahina ny asa, betsaka ny olana voavaha, antony nanamafisan’ny Minisitra fa ho tohizana ny fanatanterahina atrikasa toy izao.

📌 Raha ho an’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana eto Toamasina, raharaha telo no tena misongadina dia ny fangatahana fanafoanana fanapahana, ny raharaha mikasika ny asam-panjakana ary ny mikasika ny fanajariana ny tanàn-dehibe.

➡️ Ho fanamafisana ny Fitsarana manakaiky vahoaka, dia nisy ny varavarana misokatra ho an’ny tompon’ andraikitra ara-panjakana sy ho an’ny Vahoaka, nentina nampahafantatra ny tontolo manodidina ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana. Hetsika namaranana ny telo andro ho an’ny fikaonandohan’ny Mpitsara misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana.

✅ Fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD ary ny ANJA.