Posted in Autres Evenements

FITAZONANA AM-PONJA IREO MANAMBONINAHITRA ROA EO ANIVON’NY TAFIKA.

FITAZONANA AM-PONJA IREO MANAMBONINAHITRA ROA EO ANIVON’NY TAFIKA: MITONDRA FANAZAVANA NY TONIA MPAMPANOA LALANA AO AMIN’NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY ANTANANARIVO.

📌 Talata 28 novambra 2023, nitondra fanazavana, araka ny lalàna, ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, Ramatoa NARINDRA RAKOTONIAINA, mahakasika indrindra ny fitazonana am-ponja ireo manamboninahitra roa (02) tao amin’ny tafika.

🎥 Manasa antsika ary hanaraka izany.

Posted in Autres Evenements

RAHARAHA NINIE DONIA.

⚖️ Nanadihady ny zava-nitranga ny ministeran’ny Fitsarana, ary mitondra ny fanazavana amin’ny alalan’ny tale jeneralin’ny Fandraharahana ny fonja.

📌 Anio faha 20 novambra 2023, nitondra fanazavana mahakasika izany, ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, A/toa RALISAONA Arsène.

🎥 Manasa antsika hanaraka izany.

Posted in Autres Evenements

FONJABEN’ANTANIMORA.

FONJABEN’ANTANIMORA, NOTOLORANA OMBY NY FONJA MISAHANA NY FAMOKARANA.

📌 Ny 17 Novambra 2023 lasa teo dia nanolotra omby 02 ho an’ny Fonja misahana ny famokarana eny Anosiala Anjanamasina ny avy ao amin’ny Fonjaben’Antanimora niaraka tamin’ny mpiara-mombon’antoka iray.
Izany dia teo anatrehan’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, A/toa RALISAONA Arsène sy ireo mpiara miasa akaiky aminy.

➡ Izao no natao mba hanampiana ny asa famokarana.

Posted in Autres Evenements

ENAP, FANDRAISANA IREO MPIANATRA HO MPANDRAHARAHAN’NY FONJA

📌Alahady 12 novambra 2023, Tontosa soamatsara ny fandraisana sy ny fampidirana ireo mpianatra ho mpandraharahan’ny fonja miisa 250 (220 mpianatra ho Agents pénitentiaires ary 30 mpianatra ho Greffiers comptables) teto amin’ny Sekoly Mpampiofana ho Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP) Antetezambaro.

➡️Nandritra izany fampidirana azy ireo izany dia tsy nisy ny sampona na naratra fa amin’ny maha Sekoly fampiofanana manana ny sata manokana mifehy azy ny Enap moa dia tsy maintsy misy ny fombafomba fandraisana azy ireo. Haharitra 45 andro raha kely indrindra izao dingana voalohany hatrehin’ izy ireo izao ka hiompana tanteraka amin’ny fiofanana fototra ara-miaramila izany sy ny fampahafantarana azy ireo ny mikasika ny rafitra misy eo anivon’ny Ministeran’ ny Fitsarana sy ny Fandraharahana ny Fonja ary ny iraka ankinin’ ny Fanjakana amin’ireo rafitra ireo.

✔️Efa vonona avokoa ny filana takian’ izao dingana voalohany izao (sakafo, sns…). Marihina moa fa haharitra 12 volana ny fiofanana ho an’ny mpianatra ho Agents pénitentiaires ary 18 volana ho an’ny mpianatra ho Greffiers comptables.

Posted in Actualités

AMBILOBE : HANANGANA FONJA VAOVAO NY FANJAKANA.

⚖️AMBILOBE : HANANGANA FONJA VAOVAO NY FANJAKANA. NIJERY NY FIAINAN’NY VOAFONJA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌Zoma faha-10 Novambra 2023, nijery ny zavatra iainan’ny voafonja eto Ambilobe ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nandritra izany no nahafantarana fa folo no isan’ny voafonja eto ka Vehivavy ny efatra ary lehilahy ny enina. Izy ireo dia efa voatsara ary manefa sazy avokoa.

✔️Hanangana Fonja vaovao eto Ambilobe ny Fanjakana. Mandrapahavitan’ izany fotodrafitrasa vaovao izany anefa dia asiam-panamboarana aloha ny Fonja ankehitriny mba ho fanajana sy fiarovana ny zon’olombelona. Efa antitra mantsy ny trano nefa tsy nisy fanavaozana nandritry ny taona maro. Efa tonga nijery ny lafiny tekinika amin’ny fanatanterahana izany fanamboarana izany rahateo ny tekinisianina iraky ny Minisiteran’ny Fitsarana.

⭕Nandritra ity fitsidihana ity ihany koa no nanomezan’ny Minisitra toromarika ho an’ny Tompon’ andraikitra mitantana ny Fonja, mba hampiasa ny rezisitra amin’ny fomba tena matianina , nohon’ny fitantanana ny Fonja izay mifamatotra amin’ny asam-pitsarana, nohon’ny fitsarana vaovao eto Ambilobe efa misokatra ho an’ny Vahoaka.