Posted in Actualités

Fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana.

📍Mahakasika ny fehezan-dalàna famaizana izay momba ny fanolanana dia nisy ny volavolan-dalàna manitsy sy manova ny adininy sasatsasany amin’izany ka mitondra fanampim-panazavana amin’izany ny Mitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

Fanatsarana ny fomba fiasa eo amin’ny Fitsarana amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra.

📌Alatsinainy, 12 febroary 2024, nampivory ireo mpitsara eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana niaraka tamin’ireo delegasionina eo anivon’ny Minisitera mba hijery sy hanatsara ny fampiasana ny rindrambaiko « LogiPénal » izay fanafainganana ireo raharaham-pitsarana momba ny ady heloka.

➡Tsikaritra fa misy ireo olana mbola sendraina amin’ny fampiasana ity « LogiPénal » ity ka izay no niarahana nitadiavana vahaolana tamin’ireo tompon’andraikitra.

Posted in Actualités

Fambolen-kazo taona 2024

📌Zoma 09 Febroary 2024, teto Tsiafahy no nanatanteraka fambolen-kazo ny Fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Nitarika izany ny Mpitahiry ny Fitmbokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana izay nampita hafatra ho an’ny tompon’andraikitra mba hanara-maso sy hikarakara ny zanakazo novolena. Nambarany fa sady famerenana ny tontolo iainana ho tsara sady loharanon-karena ny fambolen-kazo. Tany mirefy 1ha no novolena, zanakazo miisa 2000 ( roa arivo) no natsatoka ka voankazo ny 100, kininina ny 1.000 ary acacia ny 900.

⭕Teny nentina nanatanteraka ity fambolen-kazo ity ny hoe: « Fambolen-kazo manarina tontolo,manatsara famokarana, mamela lova ho any taranaka ». Nampahafatarina nandritra io fotoana io ihany koa ny antotanisan’ny hazo naniry nandritra ny taona 2022 ka nahatratra 80 isan-jato izany.

Posted in Autres Evenements

Raharaham-pitsarana.

⚖️RAHARAHAM-PITSARANA : NOHAMAFISINA NY FAHAIZA-MANAO MIKASIKA NY RAHARAHA SIVILY SY ARA-BAROTRA HO AN’NY MPITSARA SY MPIRAKI-DRAHARAHA ETO ANTANANARIVO

📌Ny 6 ka hatramin’ny 9 febroary 2024, dia nisy fiofanana izay nokarakarain’ny Sekoly Nasionalin’ny Mpampiofana Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG) tao Tsaralalana. Natao ho an’ny Mpitsara sy Lehiben’ny mpiraki-draharaha ary ny mpiraki-draharaha ao amin’ny Fitsarana Ambony sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo ity fiofanana ity izay niompana tamin’ny raharaha sivily sy ara-barotra. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara amin’ny fikirakirana sy ny fitantanana ny raharaha amin’ireo sehatra ireo. Anisan’ny lohahevitra nodinihina ihany koa ny ady tany sy ny varotra, ny lalàna momba ny ranomasina, ny andraikitry ny lehiben’ny rejisitra sy ny mpiraki-draharaha eo amin’ny fitsarana, ary ny kaonty rejisitra.

⭕Ny tanjona ankapobeny dia ny fanatsarana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny kalitaon’ny fanapahan-kevitra amin’ny raharaha sivily sy ara-barotra.
Ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) ao anatin’ny fandaharan’asa “RINDRA” no nanoana izao fiofanana izao.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo.

⚖️ CASIER JUDICIAIRE : AFAKA MANGATAKA FOTOANA MIALOHA IZAY TSY AFAKA MILAHATRA, AMIN’NY ALALAN’NY « FINDAY » FITONDRA NO HANAOVANA IZANY ARY EFA MISY NY ROHI-PIFANDRAISANA.

🎥 Mitondra fanazavana ny Lehiben’ny Firaketan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Anosy Antananarivo.