Posted in Autres Evenements

Raharaha Mbola RAJAONAH.

⚖️ RAHARAHA MBOLA RAJAONAH: NANDRAY NY FITARAINAN’NY MPISOLOVAVAN’NY VOAPANGA NY TENDROM-PITSARANA MIADY AMIN’NY KOLIKOKY, NANDINIKA SY NAMPITAHA NY ANTOTAN-TARATASY REHETRA NY LEHIBEN’NY FITSARANA ISAN-TOKONY, IZAY VAO NANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA.

🎥 Mitondra fanazavana ny Tonia Mpampanoa ambony eo anivon’ny PAC, Ramatoa Rasoahanta Elysée.

Posted in Actualités

Lalàna laharana 002/2024/PL.

📌Zoma faha 02 Febroary 2024, teto amin’ny Antenimierampirenena eto Tsimbazaza. Nitondra fanazavana mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-002/2024/PL, tamin’ny 24 janoary 2024 ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Io volavolan-dalana io dia mameno sy manova ny andininy sasantsasany ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana Malagasy.

➡️ Ny sazy ho an’ny olona manao fanolanana no tena nifotorana.
Isan’ny fanovana nentina tamin’izany ny fampidirana ny « castration », ho isan’ny sazy ho an’ireo izay manolana Zaza tsy ampy taona.
Misy karazany 2 ny « castration » dia ny « castration chimique » sy ny  » castration chirurgicale » ka miankina amin’ny vesatry ny heloka vitan’ny voapanga ny saziny.

⭕Lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena io volavolan-dalana io.

📌Mitondra fanazavana nandritra ny fiaonana tamin’ireo mpanao gazety ny Mpitahiry Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa. RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy.

Antsohihy:Lehilahy lehibe 75 taona no nampidirina am-ponja nohon’ny fanolanana zaza tsy ampy taona.

🎥 Indro mitondra fanazavana ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antsohihy, Andriamatoa Jessé Ramorasata.

Posted in Actualités

VOLAVOLAN-DALANA MIKASIKA NY FANOLANANA.

📌Alatsinainy faha 29 Janoary 2024, misokatra ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny Antenimiram-pirenena sy ny Antenimiera-doholona. 12 andro no faharetany araka ny voafaritry ny Lalam-panorenana ary efa voafaritra ny lahadinika ka isan’ny handalo fandinihana sy fandaniana mandritra izany ny volavolan-dalana manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ ny fehezan-dalana famaizana mikasika ny olona manao fanolanana.

⭐Nanotrona ny lanonam-panokafana ny fivoriana, niaraka tamin’ny Mpikambana eo anivon’ny Governemanta notarihan’ny Praiminisitra NTSAY Christian hatrany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

FANOKAFANA NY TAOM-PAMBOLEN-KAZO 2024.

📌Zoma faha 26 Janoary 2024, teto Imerintsiatosika, toerana hananganana ny Tanàna vaovao, nandray anjara tamin’ny fanokafana ny fambolen-kazo taona 2024 ny Fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fitsarana, notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

▶️ Lohahevitra nampombana ity taom-pambolena hazo 2024 ity ny hoe : Fambolen-kazo, manarina ny tontolo iainana, mamelon’aina.