Posted in Actualités

Fikambanamben’ny Mpirakiteny mpanoto soratra eto amin’ny ranomasimbe indianina.

📌Talata 06 Martsa 2024, tao aorian’ny fivorian’ireo Mpirakiteny Mpanoto soratra (Notaire) eto amin’ny ranomasimbe Indianina izay natao tetsy amin’ny Radisson Blu Ankorondrano omaly dia tonga teto amin’ny biraon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Faravohitra ireo solontenan’ireo Mpirakiteny Mpanoto soratra avy any ivelany izay notarihan’ny Filohan’ny Mpirakiteny Mpanoto soratra eto Madagasikara, Andriamatoa ANDRIAMANALINA Andrianjaka.

⭕Ny nampihavaka ity fivoriana ity dia ny fandraisana anjaran’ny « Conseil Supérieur des Notaires International ».

Posted in Autres Evenements

Fanolanana zaza tsy ampy taona.

📌Alarobia faha-06 Martsa 2024, teto amin’ny Fitsarana Anosy. Nampafantatra ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, Ramatoa RAKOTONIAINA Narindra Navalona fa nampiakarina « Juge d’instruction  » androany i Dawily ilay lehilahy nanolana zazavavikely 6 taona tao Imerintsiatosika. Taorian’izay dia nampiidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy.

⭕Raha hampatsiaivina dia mody nirahiny nividy sigara ity zazavavikely ary netiny niditra tranon-drazana avy eo ka tany no nanamparany ny filan-dratsiny.

🔴Raha ny fantatra dia sazy roa no mety hihatra amin’i Da-Wily dia ny asa an-terivozona mandrapahafaty sy ny famosirana na « castration ».

Posted in Actualités

ATRIKASA.

📌Talata 05 martsa 2024, nosokafan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny atrikasa irahan’ireo Mpirakiteny Mpanoto Soratra (Notaire) eto amin’ny ranomasim-be Indianina izay natao tao amin’ny Hotel Radisson Blu Ambodivona.

➡️Miantoka ny fangaharahana ary anisan’ny miandrakitra ny fiarovana ara-mpitsarana ireo Mpirakiteny mpanoto soratra hoy ny Minisitry ny Fitsarana.

⭕Aharitra roa andro ny atrikasa ka fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny asa maha-Mpirakiteny Mpanoto soratra no tena votoatin’ny fihaonana. Lohahevitra samihafa no hifandinihana toy ny fandrindrana ankapobeny ny asa, ny deontolojia, ny resaka manodidina momban’ny lalàna ny fananana, ny fandovana.

Marihana fa andiany faha 5 ity atrikasan’ny Mpirakiteny mpanoto soratra eto amin’ny Ranomasim-be Indiana ity.

Posted in Actualités

Famokarana eny anivon’ny fonja.

📌Zoma , 01 Marsa 2024 sy Sabotsy, faha- 02 Marsa 2024.
Nijery ny fivoaran’ny asa teo anivon’ny Toby famokaran’ny Voafonja  » Camp Pénal » Moramanga sy Vatomandry ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

☑️Namokatra ny Voafonja ary tratra ny tanjona napetraka satria nasahana ny sakafon’ny Voafonja ny vokatra niakatra, ary nahavitana namaha ny olan’ ny tsy fahampian-tsakafo  » malnutrition » eo anivon’ny Fonja, na ho an’i Moramanga sy Ambatondrazaka, na ho an’i Vatomandry sy Toamasina.
Ho an’ny « Camp Pénal » eto Ampanifana, Fokontany Antsirinala Moramanga, mangahazo karazany roa no novolena tamin’ny alalan’ny fampiasana teknika vaovao ary masomboly voafantina no nampiasaina.

➡️Velaran-tany 4ha no norakofana mangahazo vokatra ao anatin’ny enim-bolana (6 mois). Mangahazo 400 fototra kosa no novolena ho an’ny vokatra herintaona sy tapany. Ity mangahazo vokatra herintaona sy tapany ity dia hitarina amin’ny velaran-tany mirefy 1ha ka hahazoana 1600 fototra eo ho eo.
Tanimbary mirefy 2ha ihany koa no efa voavoly ary ankoatr’ireo dia namokatra pastèque, mananasy, voatavo ary voanjobory.

⭕Ny Voafonja miisa 1600 amin’ny fonja’ Ambatondrazaka sy Moramanga dia efa nanjifa ny sakafo novokarina teo anivon’ny « Camp Pénal » tamin’ny taona 2023, ary nahasahana azy ireo izany.
Ho an’ny « Camp Pénal » eto Tsaratanana Vatomandry, tany mirefy 52 ha no novolena tao anatin’ny taom-pambolena mivelatra (grande saison), hahitana Vary 6ha, Katsaka 6ha, Mangahazo 40ha.

⭕Ankoatr’ireo vokatra handrasana dia nahavita nisahana ny sakafon’ny Voafonja eto Vatomandry sy Toamasina ny famokarana natao tamin’ny taona 2023. Nampiavaka an’i Tsaratanana ny famokarana Vomanga karaoty, izay hahitana singa marobe ahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ( malnutrition) ary nahitam-pahombiazana ny fihinanan’ny Voafonja izany. Manana dobo fiompiana trondro ihany koa ny « Camp Pénal » Tsaratanana Vatomandry.

⭕Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nanamafy fa tsy maintsy hitarina ny velaran-tany azo volena eny anivon’ny « Camp Pénal », tanjona mantsy ny fahavitan-tena ara-tsakafo tanteraka eny anivon’ny Fonja, ny fanafoanana ny tsy fahampian-tsakafon’ ny Voafonja ary hahazoana mamatsy ny Fonja hafa.

✅Izany rehetra izany dia tafiditra ao anatin’ny fanajana ny zon ‘olombelona sy ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

📌Alatsinainy, faha – 04 Martsa 2024.
Teto amin’ny Foiben’ny Minisiteran’ny Fitsarana, teto Faravohitra, no natao ny fananganan-tsaina. Nandritra izany no manariparitan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny paik’ady ho entina manamafy ny fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana.

➡️Nambarany fa tsy maintsy atao ny fanaraha-maso mba hiantohana ny fanjakana tsara tantana, ho fanamafisana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra amin’ny fitantanana . Torak’izany ihany koa ny fanatsara ny kalitaon’ny tolotra omena ny olom-pirenena, anatin’izany ny famokarana ny tranokala « Fitsarana Valio ny tarainako », izay fantsona mivantana hanehoana ny ahiahiny sy hahazoana valiny haingana sy mahomby. Mikasika ny fanatsarana ny kalitao sy ny fomba fiasa dia nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fametrahana politika sy fomba fiasa mahomby hiantohana ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny vahoaka. Ankoatra izany dia hampiharina ny politika famaizana mikendry ny hanamafisana ny ady amin’ny asan-jiolahy sy ny fiarovana ny vahoaka.

⭕Nasehon’ny minisitra ihany koa ny ezaka vita nandritra ny telo volana voalohany. Ao anatin’ny 3 volana manaraka kosa ny fanamafisana ny fahaiza-manao, indrindra amin’ny alalan’ny fandaharan’asa entina hanatsarana ny kalitaon’ny asa hatolotra ny olom-pirenena. Notsindriany ny maha zava-dehibe ny « etika » sy ny fitondran-tena matihanina eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ary nohamafisiny ny tokony hanajana ny fitsipiky ny fahadiovana, ny mangarahara ary ny tamberin’andraikitra amin’ny fanatanterahana ny asa.

⭕ Teo am-pamaranana dia nambarany ny fepetra hentitra sy ny sazy ho an’ireo mpanolana, fepetra natao hampiharina avy hatrany mba hiadiana amin’ity heloka be vava ho fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy.