Posted in Autres Evenements

Anjanamasina.

📌Zoma faha-05 Aprily 2024,Fonja mamokatra Anjanamasina.

Vokatra ny vary, ary tonga ny fotoam-pijinjana. Tany mirefy 4ha mahery no nambolena. Tonga nijery ny fijinjana ny Talen’ny kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja. Aorian’izao fijinjana izao dia hisy ny voly avotra ka ovy, anana ary karoty no ho volena.
Tanjona hatrany moa ny hoe fonja mamelon-tena.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo mpianatra mpitsara.

📌 Alakamisy 04 aprily 2024, tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ireo mpianatra ho mpitsara. Andiana misalotra ny anarana ILO izy ireto, 41 judiciaires, 20 administratives ary 20 Financières.

⭕Hiditra eo amin’ny sehatry ny asa izy ireo ka nanome toromarika sy torohevitra mikasika izany ny Mpitahiry Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara.

📌 Alakamisy 04 Apily 2024, teto amin’ny Biraon’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara (CSM)Tsaralalana, niatrika fivoriana ireo Mpikambana vaovao. Io no fivoriana voalohany amin’ity taona 2024 ity.

⭕Nanokatra ary nitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Maro ny lohahevitra dinihana mandritry ny telo andro hanatontosana izany.

Posted in Autres Evenements

Fanapariahana lalàna.

📌Talata 2 Aprily 2024, tonga eto amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy ny solontena avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana izay manao ny fanamparihana lalàna.

➡️Lohahevitra 4 no nentina tamin’izany: ny lalàna momban’ny fananan-tany, ny fandovana, ny soram-piankohonana ary ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy.

✅Tsara ny fandraisan’ny kaominina ary betsaka ireo vahoaka namaly ny antso. Liana dia liana ny olona amin’ny fahalalana ny tokony atao eny anivon’ny fitsarana. Hita fa mbola betsaka ny olona no tsy mafantatra ny tokony hataony ka taorian’izoa hetsika izao dia mazava kokoa amin’ny olona ny tokony ataony ary tetsy andaniny nozaraina « brochures » isan-karazany izy ireo hahitany ireo paik’ady samihafa atao amin’ny raharaham-pitsarana.

Posted in Actualités

Fahatsiarovana ny tolona 1947.

📌77 taona lasa izay no nisian’ ny tolona 1947. Tsy maty am-pon’ny Malagasy ny zava-nitranga ary mbola misy hatrany ny fahatsiarovana hatramin’izao.

➡️Nametraka fehezam-boninkazo tao amin’ny fasan’ny Mahery fo ny Fitondram-panjakana. Nanotrona teny an-toerana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.