Fanambarana am-pahibemaso nataon’ny Fitsarana ara-bola Fianarantsoa.

⚖️ FANAMBARANA AM-PAHIBEMASO NATAON’NY FITSARANA ARA-BOLA FIANARANTSOA
➡️ Ny Andininy faha-15 ao amin’ny Fanambarana ampahibemaso ny Zon’Olombelona t@ taona 1789 dia milaza fa: “Ny Fiaraha-monina dia manan-jo hahafantatra izay nampiasana ny volany eo anivon’ny fiainam-pirenena”.

📌 Ho fanatanterahana ny Politikan’ny Fanjakana foibe amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana ny “FITSARANA MANAKAIKY VAHOAKA” dia nidina ifotony tao Manakara, Faritra Fitovinagny, ny Fitsarana ara-bola Fianarantsoa (Tribunal Financier de Fianarantsoa) nanatontosa ny fampahafantarana ny tatitra am-pahabemaso 2021 mahakasika ny fanaraha-maso nataon’ny Fitsarana momba ny kaonty (Cour des Comptes). Izany dia notanterahana ny 28 aprily 2022 tao amin’ny « Hotel Les Délices ».

✅ Nasongadina nandritra izany tatitra izany ireto teboka manaraka ireto :

⭐ Ny tatitra ampahibemaso 2021 an’ny Fitsarana momba ny kaonty :
🔷 Ny fanaraha-maso ny vola miditra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany mankany amin’ny vondrom-bahoakam-paritra ;

🔷 Ny andraikitra tan-tsoroka :
👉 Fanaraha-maso ny « Projet d’Appui à la Compétitivité Economique (PACE) » ;
👉 Fanaraha-maso ny fitsirihana ara-kaonty sy ara-bola ny « Projet d’Aménagement du Corridor et de facilitation du commerce (PACFC) » ;
👉 Fanaraha-maso ny asa fanamarinana ireo tondron’ny « Projet d’Appui de Performance du Secteur Public (PAPSP) » ;
👉 Fanomezana tolo-kevitra ny fahefam-panjakana ;
👉 Fanaraha-maso ny fanatanterahana ny tolo-kevitra mahakasika ny AUGURE ;

⭐ Tatitry ny asa nataon’ny Fitsarana ara-bola Fianarantsoa ;
⭐ Fampahafatarana ny andraikitry ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ara-bola.

Ankasitrahana ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola nahafahana nanao ny tatitra tany ifotony, dia ny « INTOSAI Developpement Initiative » na IDI izay vatsian’ny Vahoaka Amerikana @ alalan’ny Fandaharan’Asa USAID.