FAMETRAHANA NY RANTSAM-PITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY MIFOTOTRA AMIN’NY MAHA-LAHY NA MAHA-VAVY SY NY POLITIKA FAMAIZANA ANKAPOBENY AMIN’IZANY
B- Ny amin’ny fomba fanendrena ireo mpiantsehatra
Ireo Mpitsara miasa eo anivon’ny CPA-VBG dia tendren’ny Lehiben’ny Fitsarana isan-tokony, araka ny fandaminana anatiny, eo anivon’ny Fitsarana tsirairay.
D- Ny fandaminana sy fomba fiasa
Ny CPA-VBG dia miandraikitra ny fanenjehana, ny famotorana sy ny fitsarana ny heloka voalazan’ny lalàna famaizana manan-kery sy ireo voalazan’ny lalàna vaovao mikasika ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy.
Noho ny antony fandaminana, ireo raharaha mikasika ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy mbola andalam-pitsarana dia ampitaina amin’ny CPA-VBG. Ireo raharaha ady heloka bevava dia alefa hotsaraina amin’ny fotoam-pitsaran’ny Fitsarana ady heloka bevava, tarihin’ny Filohan’ny rantsam-pitsarana na ny Mpanolotsaina amin’ny Fitsarana Ambony, mpikambana amin’ny CPA-VBG.
Ny CPA-VBG dia tarihin’ny Filohan’ny Fitsarana isan’ambaratongany, manomboka amin’ny ambaratonga voalohany ka hatrany amin’ny fandravana.
Ireo mpiantsehatra, mpikambana ao amin’ny CPA-VBG dia manohy manatanteraka ny andraikiny andavanandro.
Mpitsara iray isaky ny Fitsarana dia tendrena ho tomponandraikitra ifotony misahana ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Izy dia miandraikitra ny fanangonana ireo antontan’isa mahakasika ny raharaha VBG sy miantoka ny fampitam-baovao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.
E- Ny politikam-pamaizana ankapobeny amin’ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy
Ny andininy faha-158 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka dia mamaritra ny andraikitry ny Mpampanoa lalàna amin’ny fikarohana sy fanenjehana ny fandikan-dalàna. Ny mpikambana amin’ny fampanoavana dia voafehin’ny fankatoavana ny baikon’antanantohatra. Izy ireo dia manana ny sampan- draharaham-pikarohana ny fandikan-dalàna ao anatin’ny fanatanterahana ny andraikiny.
Mba ahafahana mahomby amin’ny fanatanterahana ny andraikitra amin’ny fikarohana sy ny fanenjehana ny fandikan-dalàna, ny Mpitsara ao amin’ny fampanoavana voatendry ho mpikambana ao amin’ny CPA-VBG dia mandrindra ireo asan’ireo mpiasa mpikaroka ny fandikan-dalàna, izany dia tsy manala ny fanaovana tatitra amin’ny Tonia Mpampanoa lalàna sy ny Tonia Mpampanoa lalàna ambony amin’ny Fitsarana Ambony.
Ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Fampanoavana, dia tsy maintsy manamafy ny fanenjehana ny fandikan-dalàna mikasika ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, mba ahafahana manova ny fihevitry ny sarambambem-bahoaka fa tsy maty manota ny mpandika lalàna sy ireo mpiray heloka ary mpiray tsikombakomba amin’ny fanaovana ireo heloka mamoetra ireo.
Araka izany dia ampirisihina mafy ny Mpitsara ao amin’ny Fampanovana mba:
- hanisy tohiny ny fitoriana sy ny fitorohana ny tranga herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, raha toa ka misy antony ahafahana milaza fa tena nisy ny tranga, na dia misintona ny fitoriany aza ny niharam-boina,
- hampiditra am-ponja vonjimaika na hitaky ny fampidirana am-ponja vonjimaika ireo olona ampakarina eo anoloan’ny Fampanoavana noho ireo heloka ireo, raha toa ka feno ny vesatra anenjehana azy,
- hanao fanohanana amin’ny fangatahana fahafahana vonjimaika raha toa ka mitombina ny toe-draharaha,
- hitaky sazy mihatra sy hentitra mandritra ny fotoam-pitsarana raha toa ka mitombina ny toe-draharaha,
- hanao fampakarana amin’ny didy nivoaka mifanohitra amin’ny taky izay nataony.
Mitazona rejistra manokana avy ny eo anivon’ny fampanoavana, ny famotorana sy ny famoahana didy, na ny eo anivon’ny ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana Ambony izany, na ny eo anivon’ny Fitsarana Fandravana.
Mise en place de la Chaine Pénale Anti-Violences Basées sur le Genre et politique pénale en matière de lutte contre les Violences Basées sur le Genre
A. La composition de la CPA-VBG
B. Les modalités de nomination des acteurs
Les Magistrats siégeant au sein de la CPA-VBG sont désignés par les Chefs de juridictions respectifs suivant l’organisation interne de chaque juridiction.
C. Organisation et fonctionnement
D. La politique pénale en matière de lutte contre les Violences Basées sur le Genre