Fanomezana fanampiana ireo olona voafonja ao amin’ny Fonjaben’ny Manakara

Notontosaina ny Alatsinainy 20 aprily 2020 maraina tao Manakara (Faritra Vativavy 7 Vinany) ny lanonana fanomezana fanampiana ireo olona voafonja ao amin’ny Fonjaben’ny Manakara avy amin’ny CIZAMA (Congrégation Indienne ZAnatany de Madagascar). Tonga nitondra ny teny fisaorana sy fankasitrahana tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Fandraharana ny Fonja izay nisolotena ny Ministry ny Fitsarana. Nanontrona izany lanonana izany ihany koa ny Tonian’ny mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany sy ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fandraharana ny fonja ao Manakara.
Mitsinjara toy izao ireo fanampiana :
– Vary 60 gony
– Savony bara 30 baoritra
– Savony ranony 10 tavoahangy
– Gel désinfectant 100 tavoahangy
– Aro-vava 500 isa
Tao anatin’ny fandraisam-pitenenana no nanamafisan’ny solotenan’ny CIZAMA fa mbola hitohy ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Fitsarana fa tsy hijanona hatreo amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny COVID 19 izao.