Fanampiana avy amin’ny fikambanana CIZAMA (Congrégation Indienne ZAnatany de MAdagasccar)

Tao aorian’ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA ny ho amin’ny firaisankina sy fifanomezan-tanan’ny samy Malagasy, dia tonga nanantanteraka sy nanatitra fanampiana ny fikambanana CIZAMA (Congrégation Indienne ZAnatany de MAdagasccar) eto Antananarivo. Notolorana ny Ministeran’ny Fitsarana izay notarihan’Andriamatoa Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO, Ministry ny Fitsarana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky izany fanomezana sy fanampiana izany, ary notanterahana tao amin’ny HOTEL CENTELL androany alakamisy 09 aprily 2020.
Misokajy toy izao ireo fanampiana : vary 100 lasaka, savony 100 baoritra, 50 litatra Gel désinfectant, 600 tavoahangy gel désinfectant, 200 seaux, 200 bassines, 200 timbales, 100 koveta ary 15 baoritra taratasy A4.
Tamin’ny fandraisam-pitenana dia nanatintratintra Andriamatoa Ministra fa ho tonga ary tsy hisy hanambinana eny amin’ny mpiandraikitra isa-tsokajiny ireo fanampiana ireo, ary indrindra indrindra ho jerena manokana ireo voafonja izay olombelona manana ny zony ao anatin’izany, izay hisitraka amin’ny ampahany maro amin’ireo fanomezana ireo.
Nankasitraka indrindra izao fihetsika feno fitiavana naseho izao ny fitondram-panjakana izay nosoloin’ny Ministry ny Fitsarana tena, ary mbola maniry ny fiaraha-miasa hety amin’ny Fikambanana CIZAMA amin’ireo any amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy.