Fanomezana avy amin’ny Ben’ny Tanàna

Ho fitsinjovana ireo voafonja eny anivon’ireo toeram-pamonjana eto Antananarivo ary koa ho fanantanterahana ny fanampian’ny Fanjakana ny vahoaka Malagasy, dia nanolotra vary 50 kitapo ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo tamin’ny alalan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny Talata 07 Aprily 2020 tao amin’ny Lapan’ny Tanàna. Na dia voafonja azy izy ireo dia olom-pirenena toy ny rehetra ihany. Tsy adinon’ny fitondrampanjakana izy ireo, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny Firenena izao.
Nandray izany fanolorana izany ny Minisitry ny fitsarana ANDRIAMAHEFARIVO Johnny Richard niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy akaiky ; ny Sekretera Jeneraly sy ny  Talen’ny kabinetra ary ireo solontena avy ao amin’ny Fandrarahana ny Fonja.