Fitokanana fotodrafitr’asa vao natsangana teo amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antsirabe

Namonjy ny renivohitr’i Vakinankaratra anio 20 desambra 2019, Andriamatoa RANDRIANASOLO Jacques, Minisitry ny Fitsarana ; izay notronin’ireo mpiara-miasa aminy avy any Antananarivo. Fitokanana fotodrafitr’asa vao natsangana teto amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antsirabe moa no anton’izany famangian’ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana izany. Ny trano izay notokanana dia misy rihana roa ; ka ny ao ambany dia ahitana ny efitrano fitsarana, raha birao hiasana sy efitrano ametrahana ireo tahirin’antontan-taratasy nokirakiraina teto amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antsirabe.

Nandritra ny fandraisany fitenenana, dia niarahaba ny ezaka nahatanterahana izao tsangam-bato lehibe izao ny Minisitry ny Fitsarana. Nanamafy koa ny tenany ny amin’ny tokony hitandrovana hatrany ny fahamendrehana sy fahamarinana eo am-panaovana ny asa masina, dia ny asam-pitsarana. Notsindriany manokana ny fiaraha-mientana sy fifampiankinana tokony hisy eo amin’ny Fitsarana sy ny mpitandro filaminana, izay tonga maro nanotrona ny fianakaviamben’ny Fitsarana, niaraka tamin’ny Prefe eto amin’ny Faritra Vakinankaratra.