Fametrahana ny Tonia Mpampanoa Lalàna Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Toliara sy fitokanana ireo fotodrafitr’asa vaovao

Nandritra ny lanonam-pitsarana manetriketrika notanterahina ny marainan’ny 22 novambra no nametrahana teo amin’ny toerana maha-Tonia Mpampanoa Lalàna Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Toliara, an’Andriamatoa Jean Norbert. Raha nandray fitenenana izy dia nanome toky fa ho ataony laharam-pahamehana ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana sy ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly ary ny tsy fandriam-pahalemana. Niantso ny rehetra afaka ny hifanome tanana amin’izany tanjona izany ny tenany, satria adidy iaraha-manana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara izany.

Nanome voninahitra izany fotoana izany ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIANASOLO Jacques ; izay notronin’ny fianakaviamben’ny Fitsarana notarihin’Andriamatoa isany Sekretera Jeneralin’ny Minisitera sy ny Lehiben’ny Fitsarana Tampony mirahalahy.

Taorian’izany fotoam-pitsarana izany dia niaraka nitokana ny fotodrafitr’asa vaovao teto amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana eto Toliara ny rehetra, niampy ireo olom-panjakana eto an-toerana ; dia ny Prefe sy ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana. Trano ahitana efitra fiasana sy efitra natao hametrahana ny tahirin’io fitsarana io moa izany fotodrafitr’asa vao notokanana izany.

Nandritra ny fotoana nandraisany fitenenana dia nanamafy ny Minisitry ny Fitsarana fa porofo manamarina ny ezaka hanampiana ny Fitsarana malagasy ny fahavitana fotodrafitr’asa tahaka itony. Nambarany fa ny ezaka rehetra atao dia entina mametraka ny fanjakana tan-dalàna eto amin’ny firenena. Notsindriany tamin’izany fa antoky ny fahatanterahan’io tanjona io ny fampanjakana ny fahaleovantenan’ny Fitsarana. Nanafatra ireo mpitsara moa ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana mba tsy hanaiky fanitsakitsahana na fampanitsakitsahana ny Lalàna, na iza na iza mikasa hanao izany. Nanome baiko izy ny hanenjehana izay rehetra mitady hanao izany, satria tsy misy ambonin’ny lalàna na ireo mihevitra azy ho tsy maty manota aza.