Fihanianan’Andriamatoa RAZAFIARISON Hery Harizandry, Filoha Voalohany ao amin’ny Fitsarana Ambony Toamasina

Notontosaina ny marainan’ny 19 novambra 2019 tao amin’ny Fitsarana Tampony tao Anosy ny fihanianan’Andriamatoa RAZAFIARISON Hery Harizandry, izay voatendry ho Filoha Voalohany ao amin’ny Fitsarana Ambony Toamasina. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RANDRIANASOLO Jacques ; izay notronin’ny fianakaviamben’ny Fitsarana.

Nitarika izany lanonam-pitsarana izany ireo Lehiben’ny Fitsarana Tampony ary nandritra ny fandraisan’izy ireo fitenenana no namariparitany ny laharam-pahamehana ho an’ireo mpisehatra rehetra amin’ny tontolon’ny fitsarana ; fa indrindra koa ireo asa aman’andraikitry ny Lehiben’ny Fitsarana, mba hahafahana mahatratra ny tanjona iombonana.