Fitokanana ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Morombe

Ny alatsinainy 12 aogositra 2019 no notanterahina ny fitokanana ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany teto Morombe, Faritra Atsimo Andrefana. Ity lapa ity dia simban’ny rivo-doza taona vitsy lasa izay, ka fiaraha-miasa tamin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) no nahafahana nanao izao fanavaozana izao.

Tonga nitokana izany ny Minisitry ny Fitsarana niaraka tamin’Andriamatoa Sekretera Jeneraly ; notronin’ireo tompon’andraikitry ny Fitsarana isan-tsokajiny aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy ireo tomponandraiki-panjakana voafidy sy voatendry taty an-toerana.

Nitondra ny teny fankasitrahana ho an’ny PNUD ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Andriamatoa RANDRIANASOLO Jacques ary nanentana ny mpiara-miasa rehetra mba hiavao toy ny fotodrafitr’asa vao notokanana. Nambarany fa tsy maintsy manao ny ezaka rehetra ny tsirairay hialana amin’ny fomba ratsy izay maha-voasokajy ny Fitsarana ho isan’ny lohalaharana amin’ny fanaovana kolikoly.

Nampitandrina ny Minisitry nandritra izany fotoana izany ny amin’ny tokony hitandrovana fatratra izao fananana iombonana izao ; fa indrindra koa, ny hiovan’ny fomba fiasa ho mailaka sy madio. Notsindriany manokana ny tsy tokony hanjakan’ny tsy maty manotra, ka ny hamondronana ny hery rehetra hamongorana ireny fanetry ben’ny Firenena ireny.

Toy ny efa fanaony rehefa manatanteraka asa ivelan’ny renivohitra, dia nararaotin’Andriamatoa Minisitra koa izao diany izao, nitsidihana ny fonja taty an-toerana ; ka nitafany mivantana tamin’ireo mpandraharaha ny fonja aty Morombe.