Varavarana misokatra ho fampahafantarana ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly

[AGAL id=4529]

Ny marainan’ny 11 aprily 2019 no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « Varavarana misokatra ho fampahafantarana ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly », teto an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana.

Tonga nisolo tena ny Minisitry ny Fitsarana ny Talen’ny Kabinetrany, Ramatoa SAVATSARAH Raby ; ary nanamafy ny maha-laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly izy nandritra ny fandraisany fitenenana, nanokafana ity hetsika tohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana ity.

Nanotrona ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao Toamasina, notarihin’ny Lehiben’ny Faritra. Ny fianakaviamben’ny Fitsarana kosa dia notarihin’ireo Lehiben’ny Fitsarana Tampony mirahalahy, tonga nanome voninahitra ny fotoana.