Fihaonana teo amin’ireo Lehiben’ny Fampanoavana rehetra manerana ny Nosy tao amin’ny ENMG

Nihaona tamin’ireo Lehiben’ny Fampanoavana rehetra manerana ny Nosy (Fitsarana : Tampony, Fandravana, Ambony, Ambaratonga Voalohany, PAC) ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, anio 09 aprily 2019.
Tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha no nanatanterahana ny fihaonana ka nanomezan’Andriamatoa RANDRIANASOLO Jacques ny toromarika ho an’ireo mpitsara ireo.

Hafatra fohy nefa mazava no nentin’Andriamatoa Minisitry ny Fitsarana satria naka endrika atrik’asa ny tohin’ny fandaharam-potoana. Navoitrany tamin’ny toromarika nomeny ny tokony handraisan’ny tsirairay andraikitra, ho fanafainganana ireo raharaham-pitsarana mila izany. Naveriny fa ny fanavaozana sy fanatsarana ny fomba fiasa dia azo antoka fa hampihena ny fanaovana kolikoly, fa indrindra koa hampiverina indray ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ny Fitsarana ; izay tanjona iaraha-manana ho an’ireo rehetra misehatra anatin’ny tontolon’ny Fitsarana.

Rehefa nifandinika sy nanao asa am-bondrona ireo Mpampanoa Lalàna rehetra nandray anjara, dia namoaka volavolan-kevitra maromaro entina hanatrarana io tanjona napetraky ny Minisitry ny Fitsarana io ; ary izany no nentina namaranana ny fihaonana.