Fametrahana ny Tonia Mpampanoa Lalàna Ambony eto amin’ny Fitsarana Ambony Mahajanga.

Ambohim-pihaonan’ny fianakaviamben’ny Fitsarana ny teto amin’ny renivohitry ny faritra Boeny, satria androany no nanatanterahina ny Lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana an’Andriamatoa ANTOINE, Tonia Mpampanoa Lalàna Ambony eto amin’ny Fitsarana Ambony Mahajanga.

Nanatrika izany fotoana izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana RANDRIANASOLO Jacques, izay notronin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny anivon’ny tontolon’ny Fitsarana ; na ny avy eto an-toerana na ny avy lavitra.

Ny tolakandro dia nanatontosa fihaonana tamin’ireo mpitsara sy mpiraki-draharaha rehetra miasa ambany fiadidian’ny Fitsarana Ambony Mahajanga ny Minisitra sy ny tompon’andraikitra eo amin’ny ministera ary ny Fitsarana Tampony. Nandritra izany fotoana izany indrindra no nitondrany ny hafatrafatra ny amin’ny tokony hitandrovan’ny tsirairay, ny hasin’ny Fitsarana. Nantitranteriny ihany koa ny hanamafisana hatrany ny ady amin’ny kolikoly, ho fampanjakana ny marina sy ny rariny mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny rafi-pitsarana.