Lanonana famindram-pahefana teo amin’ireo Sekretera Jeneraly, sy ireo Tale Jeneralin’ny Foibem-pitondrana ankapoben’ny Fandaharan’asa sy Loharanom-pamatsiana

 

 

 

 

 

 

 

Tontosa io marainan’ny Talata 19 martsa io tao amin’ny tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana tety Faravohitra, ny lanonana famindram-pahefana teo amin’Andriamatoa isany :
. RANDRIANARIMANANA Tsantatiana Salama sy ANDRIAMAHAVORY Christian Paul (Sekretera Jeneraly)
. RAZAFIMANANTSOA Tafita sy RAVELOSON Aimé Gilbert (Tale Jeneralin’ny Foibem-pitondrana ankapoben’ny Fandaharan’asa sy Loharanom-pamatsiana)

Tanaty firahalahiana tanteraka no nanaovana ny famindram-pahefana ary ny fitohizan’ny raharaham-panjakana sy ny ezaka natao anatin’ny tontolon’ny Fitsarana amin’ny ankapobeny, no nibahana tamin’ny lahatenin’izy efatra (04) mirahalahy ; ankoatra ny fifampirariana soa, na ho an’izay handeha, na ireo vao handray toerana.