Fametrahana ny Filoha voalohany ao amin’ny Fitsrana Ambony Fianarantsoa sy fanomezana mari-boninahitra

Androany 04 martsa 2019 no nametrahana an’Atoa RASALAMANARANTSOA Barisoa ho eo amin’ny toeran’ny Filoha Voalohany ao amin’ny Fitsarana Ambony Fianarantsoa. Nanambara ny tenany fa ho hentitra amin’ny fampanajana ny fitsipika enti-miasa ; ary nampanantenainy koa fa ho ampitomboina ny fotoam-pitsarana amin’ny ady heloka bevava, araka ny toromarika efa nomen’ny Minisitry ny Fitsarana, RANDRIANASOLO Jacques.
Tonga nanome voninahitra izany lanonam-pitsarana manetriketrika izany moa ity farany, sy ireo mpiara-dia aminy avy any Antananarivo.
Taorian’io lanonam-pitsarana io dia nisy ny fanomezana mari-boninahi-pirenena an’Andriamatoa isany RAMANANKAVANA Jean Jacques (Grand Officier) sy MANJAKAVELO (Officier).
Nandritra ny fandraisany fitenenana dia namafisin’Atoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana ny tokony hanajana ny fotoana sy ny olom-pirenena izay manan-draharaha ety amin’ny Fitsarana ; ary ny fanajana ny soatoavina malagasy amin’ny ankapobeny.