Lanonana tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana amin’ny Fandraharana ny Fonja

Tontosa tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana amin’ny Fandraharana ny Fonja (ENAP), ny marainan’ny Zoma 22 martsa ny lanonana maro sosona :
. famoahana ny andiany RAITRA, izay nahitana mpianatra valo amby efapolo amin’ny zato (148) ;
. fampiakarana manamboninahitry ny Fandraharana ny Fonja miisa enina (06), ho « Inspecteur d’Administration Pénitentiaire en Chef » ;
. fanolorana ho an’Andriamatoa Minisitry ny Fitsarana, ny amboara ASIEF norombahan’ny ENAP sy ny DRAP Atsinanana ;
. fametrahana ny vato fehizoron’ny foto-drafitr’asa vao ho atsangana ao amin’ny sekoly ;
. fitokanana ny efitra fatoriana lehibe ho an’ny mpianatry ny ENAP.

Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany Andriamatoa RANDRIANASOLO Jacques, Minisitry ny Fitsarana ; notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny fianakaviamben’ny Fitsarana, na ny avy any Antananarivo na ny avy eto amin’ny Faritra Atsinanana.

Namafisiny tamin’ny fotoana nandra isany fitenenana fa hentitra ny tenany ny amin’ny tokony hanajana ny fitsipi-pitondran-tena, indrindra ho an’ity andiany izay vao navoaka ity. Nambarany fa ady iombonana no atao amin’ny kolikoly ka tokony hifanoro sy hifanome tanana ny tsirairay, hamongorana io fanetry be ny firenena io.