Fametrahana ny Tonian’ny Fampanoavana ambony sy fanomezana fiara ho an’ny PAC

 

 

 

 

 

Lanonana roa sosona no notontosaina teny amin’ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly (PAC) etsy amin’ny 67ha, ny marainan’ny alatsinainy 25 febroary 2019 :
1. Lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana tamin’ny toerany an’Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Solofohery, Tonian’ny Fampanoavana Ambony ;
2. Fanomezana fiara tsy mataho-dalana ho an’ny PAC Antananarivo sy Mahajanga.

Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany Andriamatoa RANDRIANASOLO Jacques, Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ; notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny anatin’ny fianakaviamben’ny Fitsarana, sy ireo Minisitra teo aloha. Tonga teny an-toerana ihany koa ny Solontena maharitra avy amin’ny PNUD sy ny mpiara-miasa aminy.