Hafatra sy firarian-tsoa avy amin-dRamatoa HARIMISA Noro Vololona, Mpitahiry ny Fitombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana

Isaorantsika ny Avo Indrindra namindra fo, sy niahy ary nitahy antsika nandritra iny taona 2018 iny ka namela antsika hahatratra ny taona 2019.
Koa mirary taombaovao sambatra ho anareo rehetra eo ambany fitahiana sy fitantanana ary fahasoavan’Andriamanitra.
Manararaotra izao fotoana izao koa ny tenako, manao antso avo aminareo mba tsy ho voasarika amin’ny fifanompana sy fifampihantsiana ary ny fifandrangitana amin’ireny tambazotram-pifandraisana na karazana haino aman-jery ireny manoloana izao raharaham-pirenena izao. Mangataka antsika mba ho tony, ho modely amin’ny fihetsika sy teny havoaka, ka hitandro hatrany ny toetra takian’ny maha-mpitsara, mpiraki-draharaha sy mpandraharahan’ny fonja mendrika antsika, na inona na inona firehana politika misy antsika.
Teny ao amin’ny Soratra Masina,Ohabolana 3, 5-6 no hamaranako ny teniko hampaherezana anareo rehetra hamakivaky ity taona 2019 ity :
« Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina @ fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao ».