Hafatra avy amin’i Ramatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana

Ramatoa HARIMISA Noro Vololona, Mpitahiry ny Fitombokasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana,
Dia misaotra sy mankahery, ary mirary soa ireo mpitsara hiandraikitra ny « Sections de Recensements de Matériels de Vote » (SRMV) manerana ny Nosy, mandritra ny fanatanterahana ny fiodinana faharoa amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Manao antso avo amin’ny mpisehatra tsy ankanavaka amin’izany fifidianana izany (ny kandida roa tonta, ny mpanara-dia sy mpanohana azy ireo, sns) mba hamela ireo mpitsara hiasa an-kahalalahana sy am-pitoniana tanteraka, ho fitandroana ny fahaleovantenan’ny Fitsarana sy ho fanajana ny safidin’ny vahoaka malagasy marina.