Fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly

Ny sabotsy 08 desambra 2018 no nankalazan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (BIANCO) izany andro iraisam-pirenena izany, tany amin’ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra. Lohahevitra noraisina tamin’izany ny « Fiaraha-mientan’ny herivelona rehetra hiady amin’ny kolikoly, mba hirosoana amin’ny fampandrosoana maharitra ». Tonga nanokatra ny lanonana i Ramatoa Harimisa Noro Vololona, Minisitry ny Fitsarana ; izay nisolo tena ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta. Nanatrika io fotoana io ihany koa ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, ny olom-boafidy tany an-toerana, ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD), sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Vakinankaratra ary ireo vahiny maro nasaina.

Nentina nanombohana ny fotoana dia nisy ny diabe nihodidina ny tananan’Antsirabe, izay nandraisan’ny herivelona rehetra tao an-toerana anjara,na ny sehatra miankina amin’ny fanjakana na tsia, niaraka tamin’ireo vahiny avy any Antananarivo.

Taorian’izay dia namonjy ny tokontany malalaky ny Tranompokonolona Antsirabe ny rehetra, toerana nanatanterahana ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lanonana, sady nanaovana ny fandraisam-pitenenana nifandimbiasana. Nandritra ny lahateny izay nataony dia nisaotra ny fitondram-panjakana ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, satria dia porofo maneho ny fahavononany hiady amin’ny kolikoly hoy izy ny fahatongavan’ny Ministry ny Fitsarana, nisolo tena an’Andriamatoa Praiministra ; nanokatra sy nanatrika ny fankalazana. Raha nandray fitenena kosa Ramatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, dia nanambara fa zava-dehibe ny fankalazana sy fanentanana toy izao satria « areti-mandoza mamotika firenena ny kolikoly ». Tamin’izany indrindra no nentiny nampahatsiahy ny dingana sy ezaka efa nataon’ny fanjakana amimn’ny fametrahana ireo rafitra maro samihafa miady amin’ny kolikoly. Maneho ny fahavononan’ny fitondrana sy ny firenena iray manontolo izany saingy tsy maintsy miara-dalana amin’ny fisorohana sy fanentanana ary fanabeazana ; fa indrindra fanasaziana raha ilaina izany. Nanafatra koa ny tenany ny mba hasahian’ny isam-batan’olona mijoro hiady amin’ny kolikoly na dia heverina ho bitika aza izany fandraisana andraikitra izany manoloana ny efa fihanak’io areti-mandoza io. Namaranany ny lahateniny ny fisaorana ny mpiara-miombon’antoka izay nanampy tamin’ny fanatanterahan’iny fankalazana iny, fa indrindra koa miara-misalahy tsy ankiato amin’ny firenena malagasy amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nararaotin’ny BIANCO koa ny fotoana mba hizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo sampan-draharaha sy rafitra nandray anjara tamin’izao fankalazana izao.

Rehefa niala teo amin’ny Tranompokonolona Antsirabe ny delegasiona notarihin-dRamatoa Harimisa Noro Vololona dia nandeha nitsidika ireo biraom-panjakana manana paika manokana hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly : ny « Commissariat Central » ; ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ; ny Biraon’ny fananan-tany.