Akon’ny dian’ny Minisitry ny Fitsarana tany amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo.

Nanomboka ny alakamisy 29 novambra lasa teo no nitodi-doha tany amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy ny fianakaviam-ben’ny Fitsarana, notarihan-dRamatoa Harimisa Noro Vololona, Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana.

Ny marainan’io andron’ny alakamisy io no nanokafany tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asam-paritra nentina nandinihana ny fomba hiadiana amin’ny « fitsaram-bahoaka ». Ity atrik’asa izay iarahana amin’ny PNUD ka natao tao Toamasina ity, dia tonga tamin’ny andiany fahefatra ; taorian’ny nandalovany tany Ambovombe, Sambava ary Antsohihy. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony, mialoha ny fitsidihana ireo trano eva (Ministeran’ny Fiarovam-Pirenena, Ministeran’ny Filaminana anatiny, Ministeran’ny Fanabeazam-Pirenena, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-Pirenena), dia nankasitrahan-dRamatoa Minisitra ny fiaraha-mientan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ; izay nanaiky hiara-hikaon-doha hitady fanefitra amin’ity « famonoana olona tamba-be », izay melohiny fatratra ity. NItohy ny hariva sy ny ampitso ny atrik’asa narahina adihevitra sy fifanakalozana amin’ny tompon’andraikitra isanisany sy ny vahoaka tonga nanatrika izany.

Ny zoma 30 novambra maraina indray dia tonga nitsidika ny fonjan’i Fenoarivo Atsinanana ny delegasiona notarihan-dRamatoa Harimisa Noro Vololona. Nasiam-panavaozana moa ity fonja ity noho ny fananganana ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao an-toerana, ka mahatonga ny fonja ao ho lasa « Maison Centrale » raha « Maison de Sûreté » izany teo aloha. Nanome toromarika Ramatoa Minisitra ny amin’ny tokony hanatsarana hatrany sy hikajiana ny foto-drafitr’asa toy itony ; fa tsy adinony koa ny nankahery ireo mpandraharahan’ny fonja mba hanatanteraka ny asany anatin’ny fanajana tanteraka ny zon’olombelona sy ny an’ireo voafonja.

Ny fitokanana izany Fitsarana Ambaratonga Voalohany izany indrindra no ivon’ny dia tany amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana, satria dia izay vao hisitraka izany ny mponina any Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina, raha tamin’ny taona 1978 no efa nangataka ny hanomezana azy ireo lapam-pitsarana. Tonga nitokana ity foto-drafitr’asa lehibe ity ny Filoham-Panjakana Rakotovao Rivo, niaraka tamin’ireo olom-boafidy voafidy tany an-toerana. Naverin-dRamatoa Minisitry ny Fitsarana tamin’ny lahateniny fa ny finiavana hanova no zava-dehibe amin’ny andraikitra sahanina, fa tsy ny fotoana hitanana izany andraikitra izany loatra. Nanafatra ny mpiara-miasa rehetra tonga tany an-toerana koa ny tenany mba hitandro toy ny anaka andria-maso ny hasin’ny Fitsarana Malagasy, satria dia « fahefana indramina amin’Andriamanitra ny fahefam-pitsarana, ka tokony ho ampiasaina am-pamendrehana sy am-pahatahorana Azy ».

Namaranany ny diany tany amin’ireo faritra ireo dia nandalo nitsidika ny fonjan’i Moramanga Ramatoa Harimisa Noro Vololona ny Alahady 02 desambra tolakandro ; ary tamin’izany koa no nanararaotany nitondra ireo toromarika sy baiko mba hampirindra sy hampahomby ny asa sahanina eo anivon’io fonja io.