Fanokafana ny fitsarana mitety vohitra ataon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao Nosy Be hanomezana kopia manontolo nahaterahana ny zaza tsy ampy taona

Nanao fanamby ny Filohan’ny Fitsarana ao Nosy Be ny hananan’ny 90% ny zaza tsy ampy taona kopia manontolo. Niara-nientana ny manam-pahefana rehetra tany an-toerana ka natomboka tao Dzamanzar Nosy Be ny hetsika anio 30 oktobra 2018 ary hitohy manerana ireo boriboritany 6 mandrafitra an’i Nosy Be.
Nahatratra 350 isa ny fangatahana voaray tamin’ireo fokontany 6 tao Dzamanadzar ka nahazo kopia avokoa rehefa nodinihana ireo anton-taratasy napetraka sy taorian’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo.

Hitohy izao fitetezana fokontany izao ka ny 13 novambra izao dia Ambatoloaka sy Darsalam indray no hisitraka izany.

Nanentana ireo vahoaka ihany koa ny Filoha tsy hatahotra ny hiditra eny amin’ny lapan’ny Fitsarana. Ny Fitsarana dia miezaka ny manakaiky hatrany ny vahoaka satria natao hiaro ny rehetra izay iharan’ny tsy ara-dalana. Nentanina ihany koa ny vahoaka mba hametraka fitokisana amin’ny manam- pahefana rehetra ary tsy hankato sy hanameloka ny fitsaram-bahoaka.