Iray volan’ny Famotsoran-keloka

Nosokafana androany tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa mahakasika ny « famotsoran-keloka ho an’ny fitazonana basy tsy ara-dalàna », izay atao mandritra ny roa (02) andro eny amin’ny Cercle Mess Fiadanana. Tonga nanokatra izany teny Fiadanana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian ; izay sady mpiahy izao atrik’asa fampiofanana izao. Nanotrona azy tamin’izany ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny governemanta, dia ny minisitra isany ao amin’ny : fiarovam-pirenena ; fitsarana ary ati-tany. Manohana ny fahatanterahan’izao hetsika izao moa ny Vondrona Afrikanina ka tazana teny an-toerana koa ny mpisolo tena maharitr’izany rafitra izany, izay nanokatra ny fandraisam-pitenenana.ana androany tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa mahakasika ny « famotsoran-keloka ho an’ny fitazonana basy tsy ara-dalàna », izay atao mandritra ny roa (02) andro eny amin’ny Cercle Mess Fiadanana. Tonga nanokatra izany  teny Fiadanana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian ; izay sady mpiahy izao atrik’asa fampiofanana izao. Nanotrona azy tamin’izany ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny governemanta, dia ny minisitra isany ao amin’ny : fiarovam-pirenena ; fitsarana ary ati-tany. Manohana ny fahatanterahan’izao hetsika izao moa ny Vondrona Afrikanina ka tazana teny an-toerana koa ny mpisolo tena maharitr’izany rafitra izany, izay nanokatra ny fandraisam-pitenenana.

Ramatoa Harimisa Noro Vololona, Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, dia nanamarika fa na tsy tany miady aza i Madagasikara dia misy ihany ny fitaovam-piadiana mahery vaika am-pelatanan’olon-tsotra, ka mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana. Izany indrindra no nahatonga ny ministera hiadidiany handray anjara mavitrika amin’izao fankalazana izao. Nambarany ihany koa fa amin’ity herinandro ity ihany dia hisy ny fampivondronana ny Mpampanoa Jeneraly sy ny Tonia Mpampanoa Lalàna rehetra manerana ny nosy, mba hiara-hidinika amin’ny politikan’ny Fitsarana iadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Nanamafy ihany koa ny tenany fa ho hentitra ny Mpamanoa Lalàna amin’ny fanenjehana  ireo mitazona basy tsy nahazoana alalana.

Tamin’ny fandraisam-pitenena nataony moa dia nanindry ny Praiminisitra fa andry iray lehibe iankinan’ny fampanjakana ny fandriam-pahalemana ny Fitsarana Malagasy, ka izany indrindra no mahatonga azy ho isan’ireo mpiantsehatra amin’izao fankalazana sy atrik’asa fampiofanana izao.