Ho mahatoky ny vahoaka ny rafi-pitsarana eto Antsirabe

Nandalo teto amin’ny renivohitry ny Vakinankaratra ny Minisitry ny Fitsarana HARIMISA Noro Vololona ny fiandohan’ny tolakandro teo. Nitsidika ny lapam-pitsarana teto an-toerana izy ary nitafa tamin’ireo mpiasa rehetra tsy ankanavaka : mpitsara sy mpandraharahan’ny fonja ary mpiraki-draharaha. Toy ny fanaony dia nanafatrafatra ny amin’ny andraikitra masina sahanin’ny Fitsarana sy ny mpiantsehatra eo anivony i ramatoa Minisitra. Nankahery ireto farany ny tenany ary nanamafy fa fiaraha-mientan’ny rehetra anatin’ny mangaraharaha no ahafahan’ny Fitsarana « miaro ny malemy sy ny marina ».