Fampitam-baovao

Nisy voafonja dimy ambin’ny folo (15) nikasa ny hitsoaka tao amin’ny fonjan’Antalaha, ny alahady 15 jolay 2018 teo. Teraka ny fifandonana teo amin’ireo mpiambina sy ireto voafonja nanana fikasan-dratsy ka nisy ny naratra.
Voafonja miisa roa (02) no namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy, rehefa avy nialana nenina tamin’ny fitsaboana. Araka ny fanambarana nataon’ny Talem-paritry ny fandraharahana ny fonja SAVA ny alin’ny alahady ihany dia ratra vokatry ny fifandonana fa tsy tifitra basy velively no nitarika ny fahafatesana ; izay voamarin’ny mpitsabo nanao ny fizahana. Nankahery ny fianakaviana namoy havana avy hatrany moa ny tompon’andraikitra tany an-toerana.