Fametrahana ny vato fototry ny trano vaovaon’ny Fitsarana Misahana ny zaza tsy ampy taona

Notanterahina androany zoma faha 29 jona 2018 tamin’ny 02 ora tolakandro teny Anosy no ny lanonana ofisialy fametrahana ny vato fehizoron’ny trano vaovaon’ny Fitsarana misahana ny zaza tsy ampy taona na ny Tribunal pour Enfant (TPE) ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy, izay notarihin-dRamatoa HARIMISA Noro Vololona, Minisitry ny Fitsarana sady Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana.

Izany no natao dia hanatsarana sy politikan’ny Fitsarana manakaiky vahoaka sy ho fanomezan-danja manokana ny fiarovana ny zon’ny zaza tsy ampy taona. Marihina fa volan’ny Ministera madiodio no hanaovana an’io fanorenana trano vaovao io ary maharitra efa-bolana kosa ny faharetan’ny asa.