SORA-PIANKOHONANA, NANAO FIVOARIANA ARAK’ASA NY TAO TOAMASINA.

📌Ny 16 aogositra 2024 dia nanantanteraka fivoriana arak’asa ny tao amin’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Toamasina izay notarihan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna sy ny Lehiben’ny Mpirakidraharaha niaraka tamin’ny Ben’ny tanàna sy ireo mpiandraikitra sora-piankohonana mba entina hanatsarana sy hanovàna fomba fiasa amin’ny fanaovana ny Sora-piankohonana (Etat Civil).

➡️Ny tanjona dia ny hamerenana amin’ny laoniny ny fikirakirana ny Sora-piankohonana satria tokoa mantsy dia tamin’ny 1971 no nisy nanatitra farany teny anivon’ny Fitsarana ny boky Dika mitovy sady tsy nisy ny fanaraha-maso.

⭕Ka noho izany dia natao ny fivoriana mba hampatsiahivana izay voalaza ny Lalàna 2018-027 momba ny sora-piankohonana fa tsy maintsy alefa eny amin’ny Fitsarana ny Dika mitovy ary raha tsy tanteraka izany dia misy ny sazy miantraika amin’izany.
Na dia izany aza anefa dia tsapa fa misy ny olana sendrain’ireo mpiandraikitra ny Sora-piankohonana amin’ny fananterana ny Boky Dika Mitovy ka hantenaina hisy fivoarana izany.