FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA.

📌 Alarobia 17 jolay 2024, tonga teto Faravohitra, tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny Masoivohon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine miasa eto Madagasikara, S.E.M. JI Ping.

🎯 Araka izany dia nisy ny fitsidihana ara-pomba fanajana, ary nandritra izany dia niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Repoblika Entim-bahoakan’i Chine no votoatin’ny fihaonana.