Fanomezam-boninahitra.

⚫️Ho fanomezam-boninahitra an’Itompokolahy RAKOTONDRAVONY Henri, Solo Tonia Mpampanoa Ambony tao amin’ny Fitsarana Ambony ao Mahajanga izay nodimandry tamin’ny 05 jona 2024, dia nanatanteraka ny adidiny ny fianakaviamben’ny Fitsarana izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana anio alakamisy 27 jona 2024 tao amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.

➡️Ho marik’izany dia nanao « Piquet » ny Mpitsara miasa eto Antananarivo. Ho tohizan’ireo Mpitsara eny amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany izay ho andalovan’ny razana izany « Piquet » izany mandrapahatonga eny Befotaka Antsohihy toerana andevenana azy.